Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Roso tsa mipody koa…

Roso tsa mipody koa…

Tsy azo ihodivirana fa roso tsa mipody koa ny fifidianana. Na tsy tena feno tanteraka avokoa aza ny fepetra rehetra, tsy tokony hiseho intsony ny sakana. Mandeha ny mandeha… Mandeha ny fanomezan-toky avy amin’ny tompon’andraikitra mpikarakara. Tahaka izany koa ireo rehetra voakasika izany. Hatramin’ny avy any ivelany aza, mahita fa miroso isika… Na izany aza, tokony ho mailo satria tsy misy ny tonga lafatra. Nilaza, ohatra, ny mpanara-maso fiainam-pirenena fa mbola misy ny madilana hotentenina. Ohatra ny vaovao sy ny fampitam-baovao momba ny fikarakarana sy fanomanana ny fifidianana. Tokony henoina avokoa ny feo rehetra sy ny mety ho fanakianana sy tsikera fa tsy anaovana bemarenina… Fotorina sy hadihadiana ny mety ho olana sao sanatria ho tonga amin’ny tsy ampoizina isika. Ahafahantsika manatsara hatrany ny dingana tokony hirosoana izany. Aza hadinoina fa hikoha-maina aza mantsy, ataon’ny sasany mainka fa misy lesoka goavana na hisehoana olana eo io. Asa fotsiny ny ho fitabataban’ny sasany na koa ny ho “akory izay” raha sanatria… Efa miandry kendry tohina fotsiny ireo kandidà tsy mankasitraka ny hirosoana amin’ny “fitsaram-bahoaka” amin’ny alalan’ny fifidianana.  Efa fantatra tany amin’ny dimy taona lasa tany fa tsy maintsy ary hirosoana  ny fifidianana ka tokony ho efa niomana sy naka bahana ireo etamazaoro politika. Tahotra ny an’ny sasany no betsaka. Eo koa ny tsy fahavononana sy tsy fahamatorana tsotra izao. Zatra ny lalan-dririnina koa angamba e! Hiantehitra amin’ny kitapo latsaka ialohavan’ny korontana na Tetezamita ka hahazo maimaimpoana seza, tsy nandalo “fitsaram-bahoaka” amin’ny alalan’ny fifidianana. Manantena fifampizarana seza fotsiny amin’izay fotoana izay… Tokony hampieritreritra ny tompon’andraikitra avokoa izao tranga miseho rehetra izao. Handraisana fepetra ny goragora na ny tandrevaka amin’ny sehatra rehetra. Sazina ireo mihoa-pefy ary tsy hijerena tavan’olona ny lalàna. Raha tsy izany, hahazo vahana ireo mitsipaka sy tsy mankasitraka ny fifidianana ka ahina hampiverin-dalana antsika indray… Nefa efa roso toy tsa mipody koa !

Synèse R.

 

Les commentaires sont fermées.