Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Nosy – Be Hell Ville: marobe ireo ankizy tsy ampy taona mitady vazaha amin’ny “facebook”

Nosy – Be Hell Ville: marobe ireo ankizy tsy ampy taona mitady vazaha amin’ny “facebook”

Voasokajy ho isan’ireo Nosy mahasarika mpizahatany i Nosy-Be Hell Ville noho ny hatsaran’ny tanàna sy ny fisian’ireo Nosy kely madinika manana ny tantarany. Eo koa ny fisian’ny tora-pasika, toy ny ao Andilana. Noho izany, toerana ifamezivezen’ireo teratany vahiny samy hafa ao Nosy Be. Marobe koa ireo ankizy tsy ampy taona voasarika hitady vazaha amin’ny “facebook”…

Raha ny lafiny ara-jeografia ao anatin’ny faritra Diana (Antsiranana I, Antsiranana II, Ambanja, Nosy Be, Ambilobe) no misy an’i Nosy Be Hell Ville. “Nosy manitra na île de parfum” ny fiantsoan’ny mponina any an-toerana azy ary eo amin’ny 28 km am-panidinam-borona. Raha ny velaran-tany indray dia mirefy 321 km2 ary mahatratra 93 682 ny isan’ny mponina (antontan’isa farany nivoaka ny taona 2016) ka ny 51 748 amin’ireo dia ankizy latsaky ny 17 taona. Izany hoe tanora avokoa ny maro an’isa amin’ny mponina ao Nosy Be Hell Ville. Kaominina ambohivohitra iray ihany no misy ao Nosy Be Hell Ville , mifaritra ao anatina boriborintany enina (Hell Ville, Ambatozavavy, Ambarivato, Dzamandzar, Befotaka ary Bemanondrobe) ary ahitana fokontany miisa 42 ka iray amin’izany ny fokontanin’Ambatolaoka ao anatin’ny boriborintanin’i Dzamandzar izay nanaovana ny fanadihadiana manokana momba ny fisian’ireo ankizy tsy ampy taona mirona mankany amin’ny fitadiavana vazaha amin’ny alalan’ny “facebook”. Foto-piveloman’ny mponina, ny fambolena, ny jono ary ny fandraharahana momba ny fizahantany. Raha ny zava-misy ao Ambatolaoka, mifanaretsaka ny ankizy tsy ampy taona miaraka tamin’ny telefaonina finday mitady toerana misy “wifi” hifaneraserana ao anatina tambajotra “facebook”, hitady vazaha. Efa mifamotoana amin’ny toerana iray mahazatra ireo ankizy tsy ampy taona ireo, toy ny eny amoron-dranomasina, ny Bar, ny discotheque, ny boîte de nuit, indrindra rehefa faran’ny herinandro. Misy ny ray aman-dreny mihitsy no mampirisika ny zanany vavy hitady vazaha sitrany ahay vola sy hahafahana mandeha mankany an-dafy. Maresaka ny tanàna, toy ireny amin’ny andro antoandro ireny, manomboka amin’ny 8 ora alina hatramin’ny 2 ora maraina. Tsy ifandrenesana ny fanenon’ny zava-maneno ao anaty bar, mifanitsa-kitro ny teratany vahiny miaraka amin’ireo ankizivavy tsy ampy taona. Misy ireo ankizy tsy ampy taona efa miaraka amin’ny vazaha, misy kosa ireo vao mitady ary somary maka sisintsisiny miandry izay manatona.

Lasibatry ny herisetra ny ankizy tsy ampy taona…

Mitondra faisana noho ny herisetra ara-nofo ny ankamaroan’ireo ankizy tsy ampy taona eo anelanelan’ny 13 taona ka hatramin’ny 18 taona ao Nosy Be. Miseho amin’ny endrika maro ny karazana herisetra mianjady amin’ny ankizy tsy ampy taona ao an-toerana ary misy mihitsy aza tambajotrana teratany vahiny manao horonantsary mamoafady mampiseho endrika ireny ankizy tsy ampy taona ireny any anaty tambajotran-tserasera “facebook”. Manamafy izany ny voalazan’ny tompon’andraikitra iray eo anivon’ny fokontany ao Ambatolaoka, nisy ankizivavikely tsy ampy taona miisa 24 manao andiany avy any Befandriana, faritra Sofia tonga manofa trano ao Ambatolaoka. Masaka ao an-dohan’izy ireo dia ny hoe hitady vazaha mba ho vady. “Santionany amin’ny zava-misy eto Nosy Be izany ary misy ny diso fanantenana ka lasa miafara amin’ny fivarotan-tena satria tsy tanteraka ny faniriana”, raha ny fanazavan’ny loharanom-baovao hatrany. Tsy manana taratasy ara-dalàna fa tonga an-tsokosoko ny ankamaroan’ireo ankizy mpifindra monina ireo.

Araka ny fanazavan’ny sampandraharahan’ny firenena mikambana misahana ny ankizy (Unicef) any Nosy Be, misy ireo ankizy tsy ampy taona sasany voasariky ny fanaovana horonantsary mamoafady sy fivarotan-tena any anaty “facebook”. Vokany, mifandrombaka ireo ankizivavy tsy ampy taona mankany Nosy Be fa hoe any misy “euro” ary misy mihitsy aza ireo manao mariazy mialoha ny fotoana sy miray tsikombakomba amin’ny ray aman-drenin’ilay ankizivavy mba hahazoana izay “euro” izay.

Manjaka ny kolikoly avolenta…

Voalazan’ny loharanom-baovao iray marim-pototra fa misy teratany vahiny iray ao Nosy Be manangona ireo ankizivavikely tsy ampy taona ary efa misy fifampiraharahana amin’ny ray aman-drenin’ireo ankizy. Angonin’ilay teratany vahiny ireo ankizy ireo ary anaovany horonantsary mamoafady ary amidiny lafo any ampitan-dranomasina. Rehefa misy teratany vahiny tonga manao fizahantany ao Nosy Be dia mifampiraharaha amin’ilay vazaha raha mila ankizivavikely tsy ampy taona hiaraka aminy, miankina amin’izay safidiny. Nohamafisin’ilay loharanom-baovao hatrany fa misy virijiny amin’ireo ankizy tsy ampy taona ireo izay somary lafolafo ny vidiny raha misafidy ankizy mbola virijiny ilay vahiny mpizahatany. Mahazo vahana koa ny kolikoly eo anivon’ny tompon’andraiki-panjakana misahana ny fanamboarana ny kara-panondro satria misy amin’ireo ankizy tsy ampy taona no mampitombo taona mba hahazoana kara-panondro. Tsy afa-manoatra ny mpitandro filaminana satria manana kara-panondro ireo ankizy. Tsy ireo teratany vahiny ihany anefa fa misy ireo lehilahy malagasy manao herisetra amin’ny ankizy tsy ampy taona ao Nosy Be.

Raha ny antontanisa nomen’ny tambajotra misahana ny fiarovana ny ankizy ao Nosy Be, mahatratra 355 ny trangana herisetra voarain’izy ireo ka ny 243 amin’ireo, ankizivavy tsy ampy taona ary ankizilahikely kosa ny ambiny amin’ireo, araka ny fanazavan’ny tompon’andraikitry ny Unicef hatrany.

Nangonin’i Jean Claude

Les commentaires sont fermées.