Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Noraisim-potsiny teny Ivato: iranianina roa lahy tratra nitondra pasipaoro sandoka

Noraisim-potsiny teny Ivato: iranianina roa lahy tratra nitondra pasipaoro sandoka

Teratany iraniainina roa lahy, nikasa hiondrana an-tsokosoko ho any Eoropa, no tra-tehaky ny polisin’ny Paf, miandraikitra ny fanaraha-maso ny lafin-tany, teny amin’ny seranam-piaramanidina Ivato, omaly, noho ny fampiasan’izy ireo pasipaoro sandoka.

I Sayd Hossein Razavi sy i Rozzebh Habibi Kourani ny anaran’izy roa lahy ireto. Samy teratany iranianina izy roa lahy. Raha ny tatitra avy amin’ny polisin’ny Paf, pasipaoro hosoko malezianina ny nampiasainy, saika hiondranany an-tsokosoko ho any Eoropa.

Fantatra fa niala tany Iran, ny 23 septambra 2018, izy roa lahy ireto ary nandalo firenena maro ary izao nigadona eto Madagasikara izao ka nikasa hanatanteraka ny hevi-dratsiny tamin’ny alalan’ireto pasipaoro hosoka ireto. Niroso tamin’ny fisavana ny entan’izy roa lahy ireo ny polisy ka mbola hita tao ny pasipaoro amin’ny maha teratany iranianina azy ireo.

Alefa mody avy hatrany…

Efa mandeha ny fanadihadiana ataon’ny polisy momba ireto Iranianina roa lahy ireto amin’izao fotoana izao. Nambaran’ny polisin’ny Paf fa tsy maintsy halefa mody any amin’ny taniny izy ireo rehefa vita ny famotorana rehetra. Tsy vao izao no nahitana teratany vahiny mampiasa pasipaoro hosoka toy izao. Ho an’ireo izay te hiditra an-tsokosoko any amin’ny firenen-kafa, mampiasa pasipaoro hosoka toy izao hatrany ka mandalo eto Madagasikara. Tokony ho hentitra hatrany ny mpitandro filaminana eny amin’ny seranam-piaramanidina amin’ny fanaraha-maso ireny vahiny mikasa hiondrana an-tsokosoko ireny satria ataon’izy ireo lalana hiondranana any ivelany ny eto Madagasikara. Manginy fotsiny ireo mpanao trafikana sokatra, volamena sy ireo harena arovana tsy mahazo mivoaka eto Madagasikara.

J.C

Les commentaires sont fermées.