Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Musée du quai Branly: hasongadina koa ny « film » malagasy

Musée du quai Branly: hasongadina koa ny « film » malagasy

Natomboka ny taona 2016 ny famondronana anaty rakitsary na DVD sarimihetsika malagasy. « Kolosary cinéma Malagasy-Madagascar en 11 films » ny anaran’ity rakitsary manokana ity. Ny mampiavaka azy? Horonantsary taloha, efa sokajina hoe vakoka, miampy horonantsary ankehitriny na izay vokarin’ny taranaka aty aoriana no hita ao.

Anisan’izany ny « L’Accident » an’i Benoît Ramampy sy ny “Tabataba”, notontosain’i Raymond Rajaonarivelo, samy anisan’ireo vakoka malagasy eo amin’ny tontolon’ny sarimihetsika. Ny  “Iny hono izy Ravorona » an’i Sitraka Randrimahaly, ny « Madama Esther” an’i Luck Razanajaona ary ny “Ody aina” an’i Laza kosa ny vokatra taty aoriana.

Hisongadina ihany koa ny sarimihetsika malagasy, amin’ny alalan’ity DVD ahitana angona “film” ity, mandritra ny fampirantiana, “Madagascar, arts de la grande Ile”, tontosaina any amin’ny Musée du Quai Branly any Frantsa, amin’izao fotoana izao. Hisy ny fandefasana ireo horonantsary ireo, ny asabotsy izao, ao amin’ny toerana fandefasana “cinéma”, ao amin’ity mozea ity. Hanatrika izany i Laza, sady mpanatontosa sarimihetsika no mpikarakara ny “Festival Rencontres du film court” sy i Raymond Rajaonarivelo.

Landy R.

 

Les commentaires sont fermées.