Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Kitra – «Telma coupe de Mada»: ekipan’Analamanga telo hiady lohany

Kitra – «Telma coupe de Mada»: ekipan’Analamanga telo hiady lohany

Hotanterahina, rahampitso alahady 30 septambra etsy amin’ny kianjaben’i Mahamasina, ireo lalao manasa-dalana roa, hiadiana ny « Amboaran’i Madagasikara », «Telma coupe de Mada», taranja baolina kitra. Hangotraka avokoa ny fihaonana amin’izany. Indray tafita amin’izany ary hiady lohany ny ekipan’Analamanga miisa telo.

Anisan’ny tena andrasan’ny rehetra ny fifandonan’ny samy Analamanga: ny Uscafoot sy ny AS Adema. Mety hanantombo, amin’ity, ny ekipan’ny kaominina Antananarivo Renivohitra,  hilalao eo amin’ny kianja mahazatra azy. Na izany aza, ekipa efa manana traikefa sy zatra fihaonana goavana ireo mpilalaon’ny seranam-piaramanidina ka efa ampy sedra.

Ankoatra izay, hiakatra eo Mahamasina, hanafika ny Elgeco Plus Analamanga, ny Cnaps Sport Itasy. Hafana vay koa ny fifandonan’ny roa tonta. Tsy vao izao akory no nikatroka ny roa tonta fa vao haingana, nandritra ny fifanintsanana niadiana ny “Poule des as”. Ady sahala samy tsy nisy nitoko ny nisarahana tamin’izay teo amin’ny kianjaben’i Mahamasina. Ity izany ny tsontsori-mamba hisarahana, eo amin’ny roa tonta.

Marihina fa hisy ny fanalavam-potoana 15 mn indroa miditra raha toa ka misaraka ady sahala ao anatin’ny 90 mn hilalaovana. Raha mbola mitovy hatrany ny isa, ao anatin’izany, miditra amin’ny fandakana ny “tirs au but” ny ekipa roa tonta.

 

Tompondaka

Les commentaires sont fermées.