Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Kitra – Sazy nomen’ny Caf: telo volana tsy mahazo manitsaka an’i Mahamasina ny Barea

Kitra – Sazy nomen’ny Caf: telo volana tsy mahazo manitsaka an’i Mahamasina ny Barea

Araka ny efa nampoizina, nilatsaka ny sazy avy amin’ny kaonfederasiona afrikanina ny baolina kitra (Caf), mikasika ilay sakoroka niteraka faharatrana sy fahafatesan’olona, teo Mahamasina, nandritra ny lalaon’ny Barea sy ny Liona senegaley.

Sazy mihatra, tsy fahafahana milalao mandritra ny telo volana sy/na lalao telo amina fihaonana iraisam-pirenena, ho an’ny Barea de Madagascar, eo amin’ny kianjaben’i Mahamasina, miampy fandoavana onitra mitentina 10 000 dolara na 34 500 000 Ar ny nomen’ny vaomieran’ny fitsipi-pifehezana, eo anivon’ny kaonfederasiona afrikanina (Caf), ho an’ny federasiona malagasin’ny baolina kitra.

Voalaza fa noho ny tsy fandraisana andraikitry ny mpitantana ny kitra malagasy ka nisian’ny aina nafoy sy olona maro naratra, nandritra ilay fifanosehana nitranga teo Mahamasina, ny alahady 9 septambra lasa teo, nandritra ny fihaonan’ny Barea de Madagascar sy ny Lionan’i Teranga avy any Sénégal, ny anton’izany.

Araka izany, tsy maintsy hafindra any amin’ny kianja hafa ireo ambin-dalao roa, horaisin’ny Barea de Madagascar, eto an-tanindrazana: ny fihaonana amin’i Ginea Ekoatorialy, ny 16 oktobra ho avy izao, sy ny fandraisana an’i Soudan, ny volana novambra.

Araka ny fantatra, roan y kianja mety hanatontosana izany: ny any amin’ny kianja Rabemananjara Mahajanga sy ny eny amin’ny Centre complexe sportif Vontovorona. Ireo no efa nandray lalao iraisam-pirenena ary efa nahazo fankatoavana avy amin’ny Caf. Anjaran’ny federasiona malagasy izany sisa ny misafidy izay hanatanterahana ireo fihaonana roa sisa ireo.

Voalazan’ny didy fa raha tapitra io fe-potoana telo volana io, afaka mandray lalao iraisam-pirenena indray ny kianjaben’i Mahamasina, saingy mila fahazoan-dalana avy amin’ny Caf, izay mbola hanara-maso sy hijery raha toa ka mahafeno ny fepetra ny fiarovana ireo mpijery ny toerana hanatontosana ny fihaonana.

 

Tompondaka

 

Les commentaires sont fermées.