Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Fitaovam-piadiana: basy miisa 166 saron’ny zandary

Fitaovam-piadiana: basy miisa 166 saron’ny zandary

Nandritra ny tatitra ny zava-bita tao anatin’izay fotoana naha tompon’andraikitra ambony azy eo anivon’ny zandarimariam-pirenena ny sekreteram-panjakana miadidy ny zandarimariam-pirenena (Seg), ny Jly Randriamanalina Jean Christophe, omaly teny Betongolo.  Nolazainy tamin’izany fa nahitam-bokany ny ezaka vitan’ny zandarimariam-pirenena satria miisa 166 ny isan’ny basy azon’ireo tao anatin’izay telo volana mahery izay. Nisy tamin’ireo, azon’ny zandary nandritra ny fisafoana, nisy azo teny am-pelatanan’ny dahalo nandritra ny fifandonana. Tanjona napetraky ny Seg ny hoe fandriampahalemana ifotony mipaka amin’ny vahoaka. Nohamafisiny hatrany ny fanadiovana anatiny eo anivon’ny zandarimariam-pirenena satria misy mpitandro filaminana avy ao amin’izy ireo ihany ny miray tendro amin’ny asan-dahalo. Noho izany, misy ny fampiharan-dalàna ary tsy anavahana na galona na iza na iza. Manaporofo izany ny fisian’ireo manamboninahitra efa naiditra am-ponja noho ny fandikan-dalàna nataon’izy ireo teo am-perinasa. Miisa 153 ireo zandary voasazy, raha ny nambarany hatrany. Nahitsy ary notsindriny manokana fa tsy maintsy anaovana tatitra ary hatolotra ny fampanoavana ireo zandary mamotsotra olona. “Izay ny mahatonga ny fitsaram-bahoaka. Ekena hoe misy ny tandrevaka, saingy tsy azo ekena intsony izany toy ny zava-nitranga tany Sambava satria isan’ny manome vahana ny fitsaram-bahoaka io famotsorana olona voasambotra io”, hoy izy. Voasambotry ny zandary ilay olona androany nefa rahampitso, tratran’ny olona mangalatra. Ahoana moa ny olona no hatoky ny zandary intsony manoloana ny trangan-javatra toy izany?, araka ny fanazavany hatrany.

Jean Claude

Les commentaires sont fermées.