Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Filoha mpanorina ny IEM, Rajoelina: “Aoka tsy ho lany andro hifampitsikera sy hifanaratsy isika”

Filoha mpanorina ny IEM, Rajoelina: “Aoka tsy ho lany andro hifampitsikera sy hifanaratsy isika”

Tsotra nefa mazava. Nivahiny tamin’ny fandaharana manokana ao amin’ny Viva sy Kolo TV ary ny TV Plus, omaly alina ny mpanorina ny IEM, Rajoelina.  Anisan’ny nitondrany ny heviny ny fifidianana sy ny fivahinianany tany ivelany.

Aoka isika tsy handany andro amin’ny fifampitsikerana sy fifanaratsiana. Ho avy ny fifidianana, ataovy ambony latabatra ny programan’ny tsirairay. Manambara aho fa ny IEM ihany ny vina azo tanterahina ao anaty fotoana fohy na iza na iza kandidà milatsaka. Tsy maika ny ho filoham-pirenena aho fa maika  ny hampandroso ny tanindrazana. Ahoana ny ahafahana mampandroso an’i Madagasikara tsy misy fitsabatsabahana avy any ivelany ? Nakako lesona tany izany”, hoy ny kandidà Rajoelina. Nohamafisiny fa hiatrika fifidianana isika ary zava-dehibe ho an’ny firenena izany  ka tokony hatsahatra ny fanaratsiana sy ny fifampitsikerana mankany amin’ny lalana tsy izy. Aleo hampiadiana ny vinan’ny kandidà tsirairay.

Vonona hifanatrika amin’ireo kandidà hafa…

Notateriny tamin’izany ny diany tany Frantsa sy tany Ghana ary tany Sénégal. Niaiky ny tenany fa taraiky isika raha mitaha amin’ireo firenena afrikanina roa ireo. “Hita taratra any ny tiantsika hapetraka eto Madagasikara. Tao Ghana, nametraka fahaleovantena toekarena. Firenena niara-nahazo fahaleovantena amitsika kosa i Sénégal. Hita ny zavatra vitany tao anatin’ny efa-taona. Betsaka ny fotodrafitrasa natao. Mandroso io firenena io”, hoy izy. Nanteriny fa efa hita avokoa ireo mpiara-miombona antoka hanatanateraka ny tetikasa ao amin’ny IEM. Anisan’izany ny famoronana orinasa isaky ny faritra, mifandraika amin’ny zava-misy ao amin’ilay toerana. Ohatra, ny hanodinana ovy, ny voatabia any amin’ireo faritra mamokatra hahafahana manondrana izany. “Mbola ho avy ny hanazavana ny vina rehetra ary vonona ny hifanatrika amin’ireo kandidà rehetra ireo ny tenako. Ahoana i Sénégal mahavita ? Tsy ampy finiavana politika. Mila tanora tia tanindrazana sy tanora manana vina ny firenentsika”, hoy ny kandidà laharana faha-13. Notsindriny koa fa ilaina ny fiaraha-miasa amin’ny mpandraharaha sy ny hanosehana azy ireo hampiasa ny volany bebe kokoa eto. Hatao laharam-pahamehana ny tontolon’ny indostria.

Naka lesona sy traikefa tany ivelany

Hampiana koa ireo mpandraharaha vao misondrotra sy miezaka. “Azo atao ny mampandroso ny firenena ao anaty fotoana fohy ary amin’ny herin’ny tena. Lesona azo tsoahina tamin’ny diako tany izany. Tsy hoe tsy ilaina ny avy any ivelany. Anjarantsika ny mamaritra ny filantsika sy ny fomba hitantanatsika ny firenena. Hapetraka ny laharam-pahamehana rehetra. Zava-dehibe ny fananana fahaleovantena amin’ny fitantanana ny harentsika”, hoy ny mpanorina ny IEM.

Randria

Les commentaires sont fermées.