Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Fampitandreman’ny DFP: « Higadra ireo mihoa-pefy…”

Fampitandreman’ny DFP: « Higadra ireo mihoa-pefy…”

Mbola nanao antso avo sy nampitandrina hatrany. “Mampigadra 5 taona an-tranomaizina sy lamandy 5 tapitrisa Ar ary koa maha voaroaka ny fanaovan’ny mpiasam-panjakana fampielezan-kevitra, araka ny voalazan’ny lalàna.  Hiteraka fanafoanana voka-pifidianan’ilay kadindà tohanany koa izany”, hoy ny eo anivon’ny DFP, Ratolojanahary Maharavo na i “Doudou”, omaly tetsy Mahamasina.  Notanisainy fa tsy tokony hanohana na hiandany amin’ny kandidà ny mpiasam-panjakana. Anisan’izany fanaovana ny mariky ny kandidà iray, toy ny tee shirt… Ny fitarihana na fanerena ny mpiasa hanana fironana. “Ao anatin’izany ny mpiasam-panjakana rehetra. Ny mambran’ny  governemanta, ny sivily na miaramila, ny olom-boatendry eny anivon’ny vondrom-bahoakam-paritra rehetra… Tsy fanenjehana na iza na iza izany fa voalazan’ny lalàna”, hoy ihany izy. Nanteriny fa hiompana amin’ny fampiasana ny fitaovam-panjakana sy ny fahefam-panjakana ny fanaraha-maso ataon’ny DFP amin’izao fifidianana izao.

Rangory fototry ny afo hatrany ny mpiasam-panjakana

Notsiahiviny fa rangory fototry ny afo teto isaky ny fifidianana ny mpiasam-panjakana ka tokony hiaraha-mijery izany ary tsy tokony ho afa-bela intsony amin’ity indray mandeha ity,  ho an’ireo zatra ny lalan-dririnina. Anisan’ny dingana ataon’izy ireo amin’izany ny fametrahana fitoriana eny amin’ny fitsarana. Hotorina eny amin’ny HCC indray avy eo aorian’ny latsa-bato ka hiafara amin’ny fanafoanana voka-pifidianana izany. Manoloana izany, miantso ny mpiasam-panjakana izy ireo mba tsy hiandany amin’izao fifidianana izao, sao hanenenana.

Synèse R.

 

Les commentaires sont fermées.