Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Centre Vonjy: mandray an-tanana ireo ankizy iharan’ny herisetra

Centre Vonjy: mandray an-tanana ireo ankizy iharan’ny herisetra

Efa tafapetraka ao Nosy Be ny ivontoerana misahana ny fandraisana an-tanana ireo ankizy niharan’ny herisetra na ny “Centre Vonjy” izay miara-miasa amin’ny Unicef. Ity ivontoerana manokana misahana ny ankizy niharan’ny herisetra ity no mandray an-tanana maimaimpoana ireo ankizivavikely na ankizilahikely iharan’ny herisetra ary tafiditra ao anatin’izany ny herisetra ara-nofo. Mandray an-tanana ny fanohanana amin’ny saina ireo ankizy iharan’ny herisetra. Mihaino ireo ankizikely iharan’ny herisetra sy ny fianakaviany. Miara-miasa amin’ny polisy misahana ny fiarovana ny zaza tsy ampy taona koa ity ivontoerana ity. Raisin’ny polisy an-tanana ny fanadihadiana rehetra sy ny fanarahan-dia fitoriana apetraky ny fianakavian’ilay ankizy niharan’ny herisetra. Araka ny fanazavan’ny polisy misahana ny fiarovana ny zaza tsy ampy taona ao Nosy Be, ny kaomisera Razanamihanta Louise, nahatratra 93 ny tranga voarain’izy ireo hatramin’ny fotoana nisokafan’ity ivontoerana ity. Ny taona 2017, nahatratra 48 ny tranga voarain’ny polisy raha 45 kosa ny tamin’ity taona ity (nanomboka ny janoary ka hatramin’izao volana septambra izao). Raha ny salantaon’ireo ankizy niharan’ny herisetra, 5 taona ka hatramin’ny 17 taona ka ankizivavy avokoa  ny 88 amin’ireo. Nisy tamin’ireo voarohirohy no efa natolotra ny fampanoavana taorian’ny fanadihadian’ny polisy.

J.C

Les commentaires sont fermées.