Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Voararan’ny lalàna fehizoro: mahavoasazy ny tsapan-kevitra momba ny fifidianana

Voararan’ny lalàna fehizoro: mahavoasazy ny tsapan-kevitra momba ny fifidianana

Mazava ny voalazan’ny lalàna. Efa voafaritry ny lalàna fehizoro, And. 118, fa tsy azo atao, mandritra ny fampielezan-kevitra, momba ny fifidianana na fitsapan-kevi-bahoaka ofisialy sy mandritra ny vanim-potoana tsy ahazoana maneho hevitra amin’ny fifidianana, mialoha ny andro hanaovana ny latsabato, ny mandefa sy mamoaka amin’ny alalan’ny haino aman-jery samihafa ny vokatry ny fakan-kevitra mivantana na ankolaka mifandray amin’ny fifidianana na fitsapan-kevi-bahoaka. Eo koa ny fandinihana sy fanehoan-kevitra an-gazety mifandraika amin’izany.

Lamandy hatrany amin’ny 5 tapitrisa Ar 

Manampy izany. Voasazy handoa lamandy 2 tapitrisa ka hatramin’ny 5 tapitrisa Ar ireo manely na mamoaka amin’ny alalan’ny tambajotra rehetra ny vokatry ny fakan-kevitra mivantana na ankolaka mifandray amin’ny fifidianana sy fitsapan-kevi-bahoaka, ary koa ny fandinihana sy ny fanazavana ataon’ny mpanao gazety mifandraika amin’izany mandritra ny fampielezan-kevitra amin’ny fifidianana na fitsapan_kevi-bahoaka ofisialy ary mandritra ny vanim-potoana tsy ahazoana maneho hevitra amin’ny fifidianana, ny andro mialoha anaovana ny latsabato, araka ny And.228.

Norovitina ilay boky misy ny tsapan-kevitra

Tsiahivina fa nikasa hamoaka ny tsapan-kevitra sy adihevitra politika momba ireo kandidà mialoha izao fifidianana izao ny eo anivon’ny FES, tetsy Anosy omaly. Tsy afaka nanao izany anefa izy ireo noho io lalàna io. Norovitina avy hatrany izany tsapan-kevitra efa vita boky izany rehefa nitafa tamin’ny mpanao gazety tetsy Ankorondrano izy ireo, omaly tolakandro. Efa nandrangaranga rahateo ny eo anivon’ny Ceni, afakomaly, fa tsy azo atao  izany tsapan-kevitra izany ary tsy mbola zakan’ny fiarahamonina politika eto amintsika. Mety hanohintohina ny voka-pifidianana havoakan’ny Ceni, araka ny nambaran’ny filohany, Rakotomanana Hery, ary ahina hiteraka korontana.

Synèse R.

Les commentaires sont fermées.