
Saron’ny zandary avy ao amin’ny “brigade de police de la route” eto Antananarivo teny amin’ny RN 7, afakomaly tamin’ny 10 ora maraina, ny fiara Sprinter iray avy any Ambatolampy handeha hiakatra aty Antananarivo nitondra saribao fandrehitra miisa 46 gony, tsy ara-dalàna. Rehefa nosavain’ny zandary ny taratasy ahafahana mitondra ireo entana ireo, tsy nisy na iray aza. Nentina teny amin’ny biraon’ny zandary eny Fort-Duchesne ilay fiara niaraka tamin’ny mpamily izay tompon’ny entana hanaovana fanadihadiana. Nandritra izany no nilazana ireo tompon’andraikitra avy eo anivon’ny rano sy ny ala ka nisy ny fiaraha-miasa eo amin’izy ireo sy ny zandary amin’ny famotorana. Azon’ny zandarimariam-pirenena ao anatin’ilay hetsika “Opération Fandio” izao vokatra izao. Manentana hatrany ny tsirairay ny zandarimaria amin’ny fanomezam-baovao hahafahana misoroka ny ratsy, misambotra ireo mpanao ratsy ary miady amin’ny kolikoly, indrindra fa ny eny amin’ny lalam-pirenena.
Jean Claude
Les commentaires sont fermées.