Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Noho ny tohan’ny ORN Analamanga: vohitra dimy afaka nikirakira rano madio

Noho ny tohan’ny ORN Analamanga: vohitra dimy afaka nikirakira rano madio

Afa-pahasahiranana rehefa nijaly amin’ny famatsian-drano nandritra ny roa taona ny mponina amin’ny vohitra dimy : Ambohitriniandriana, Ambondrona, Mahatazana, Tsiazompaniry ary Ambohidrakitra ao amin’ny kaominina Fiaferana, distrikan’Avaradrano. Efa manana tohodrano ny fokontany Ambohitriniandriana fa vaky vokatry ny orambe ny taona 2015.Voatery mandeha an-tongotra 1 km ny mponina maka rano ampiasaina amin’ny fidiovana sy ny amin’ny filana andavanandro. Nangataka fanampiana hanarenana ny fahavoazana teny anivon’ny Ofisim-paritra momba ny fanjarian-tsakafo (ORN) eto Analamanga ny tomponandraikitry ny kaominina ka nanomboka ny fitsirihana ilay fotodrafitrasa simba teny Ambohitriniandriana. Natolotra ny mponina, omaly, eny an-toerana ny tohodrano nohavaozina niaraka amin’ny  paompy iombonana 14 sy fanasan-damba ampiasain’ny vahoaka. Manondraka tanimbary 150 ha ny rano ary azon’ny tokantrano 200 kirakiraina isan’andro. « 500 Ar isam-bolana ny fandraisana anjaran’ny isan-tokantrano mampiasa ny paompy iombonana raha 5 000 Ar ho an’ny tokantrano nampiditra ny rano ao aminy », hoy ny ben’ny Tanàna, Ranaivoson Hanitra. Nahatratra 15 tapitrisa Ar ny tentimbidin’ny asa natao ho fanarenana ny tohodrano sy ny fotodrafitrasa fanampiny niarahan’ny ORN sy ny mpiray ombon’antoka maromaro (Water Aid, Peace Corps, ACF, Pam…

« Hanampy amin’ny fampidinana ny tahan’ny tsy fanjarian-tsakafo eto Analamanga mitaha 51% ny fahavitan’ny tohodrano satria hihena ny aretim-pivalanana ary hisotro rano madio ny kilonga latsaky ny 5 taona », hoy ny talem-paritry ny ORN eto Analamanga, Randriakotomihaja James Odon. Manana toby PNNC/Seecaline rahateo ny kaominina tantanin’ny ONG akany Tsimoka. Efa mijoro ny komity hitantana ny rano hikoja ny fotodrafitrasa nohavaozina. Hovolena hazo koa ny sahandriaka iarovana ny loharano fito mamatsy ny tohodrano.

Tao anatin’ny fotoana nanaovana ny asa rehetra, nokaramaina isan’andro ny mponina nanatanteraka izany tamin’ny alalan’ny asa tana-maro. 407 ny olona niasa nandritra ny 70 andro.

Vonjy A.

Les commentaires sont fermées.