Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Hevitra mandalo; resaky ny mpitsimpona akotry: finoana sy fifidianana

Tsy tokony ny finoana loatra angamba no atao antony lehibe amin’ny safidin’ny tena, ohatra fotsiny hoe fatenina manokana ireo mpilatsaka miray fivavahana amin’ny tena dia ferana amin’ny iray amin’izy ireo ihany no hametrahana ny safidy. Fitantanana ny firenena no anton’ny fifidianana tsy tokony anaovana fanavakahana nohon’ny firazanana na nohon’ny finoana na nohon’ny maha vehivavy na lehilahy na nohon’ny maha zoky na zandry. Raha samy anao safidy arak’izay, sady mety ampitresaka ny firenena araky ny fanavakavahana maro toy izany, ny avy any atsimo dia tsy ifidy afa-tsy ny olona avy any, ao anatin’ireo raha FLM ohatra ilay mpifidy dia tsy andatsaka vato afa-tsy ho an’izay mpilatsaka FLM avy any atsimo, raha vehivavy moa izy dia tsy ifidy afa-tsy vehivavy, ary raha tanora dia mazava ho azy fa mpilatsaka vehivavy mbola tanora teratany any atsimo ary mpino ao amin’ny fiangona FLM no hany olona fantany ho fidiny. Raha manao tahak’izay koa ny lehilahy FJKM zoky olona avy any atsinanana, sy ny mety fizarazarana rehetra afaka mitranga, tsy mila atao akory ny fifidianana fa nohon’ny dingana vitan’ny teknolojy dia maniraka ny sampan-draharaha eo amin’ny statistika ny fanjakana hampiasa ny fitaovany ary hampiady ny tarehimarika mba hamoaka, iza amin’ireo tokotoko fanangonana ny olona voasivana arak’ireo fizarazarana no maro olona indrindra.

Nohon’ny maha olona ny mpifidy dia misy ihany angamba ny fitongilanana ho an’ny mpilatsaka izay ahitana taratra mifanaraka amin’ny tena, tsy hita ho adino anefa fa ny hevitra izay voaboasan’ny mpilatsaka ambarainy ho fitsipiky ny asa voalazany ho tanterahana no tena mendrika dinihana mba anorenana safidy mitombona tsara, fa tsy ny tarehy na bika na fihaviny na finoana no atao itsarana azy. Na izany aza fantatra ary tsy miafina amin’ireo mpilatsaka fa ny vahoaka dia mirona kokoa ho an’ny olona mpivavaka izay heveriny fa manana fahatahorana an’Andriamanitra. Noho izany dia samy miseho ho mpivavaka avokoa ny maro amin’ireo mpilatsaka, ary matetika dia izay no ataony antoka amin’ny fanomezany toky ny fanaovany ny rariny sy ny fanajany ny marina. Aoka fotsiny re ! Tsy hita moa izy ity fa fifidianana no atrehana, ka na atao aza fa tsy mety ny fitsaratsarana ny sasany dia voatery mandanjalanja ihany ahafahana mitsipona ny tsara sy anilika ny ratsy. Noho izay fitsarana tsy afaka ialan’ny mpifidy izay, dia ho azon’ny fakapanahy hiatsara velatsihy ny maro amin’ireo mpandresy lahatra ho fidina, misy ihany anefa ny hetsika mampiavaka azy ireo, ao ireo tsy manan-kevitra afa-tsy ny famelabelarana ny tetika arosony sy ny tanjona apetrany ho tratrarina, andany ireo sasany tsy manan-kevitra afa-tsy ny fandotona ny mpifaninana aminy. Very hevitra ny mponina, iza no tena izy ? Ny mpandoto ve dia madio noho izay, ny fandotona ve dia fanendrikendrehana fotsiny atao fanosora-potaka olona tsy misy pentina ?

Léo Raz

Les commentaires sont fermées.