
Anisan’ny ho mpifaninana koa. Nametraka voalohany ny antontan-taratasy filatsahan-kofidiny ho filohan’ny Federasion’ny baolina kitra (FMF) etsy Isoraka, omaly, Rasoamaromaka Hery na fantatry ny maro amin’ny anarana hoe “Hery Be”. Mpankafy sy mpitantana fanatanjahantena ny tenany ary efa an-taony maro izany, indrindra eo amin’ny tontolon’ny baolina kitra. Anisan’ny ekipa notantaniny ny Tana Formation, anisan’ny namoaka mpilalao maro eo anivon’ny Barea. Tompon’antoka amin’ny fanamboarana kianja “synthetique”, miainga eny ifotony ary hanaparitaka izany any amin’ny faritra maro. Tafiditra amin’ny vinany rahateo izany, ankoatra ny fijerena ny taninketsan’ny baolina kitra. Naneho fahavononana ny tenany ny hanarina sy hampiakatra avo ny lentan’ny baolina kitra eto amintsika sy ny hitondra izany koa eo amin’ny sehatra iraisam-pirenena mihitsy aza. Eo koa ny famerenana indray ny mpijery sy ny mpankafy hitodika sy hifototra amin’ny baolina kitra indray, manomboka izao.
Tsiahivina fa anisan’ireo olona akaiky ny filoha teo aloha ny FMF, lasa filohan’ny Caf, i Ahmad i Hery Be.
Synèse R.
Les commentaires sont fermées.