
Nampahafantarina, omaly teny Tanjombato, ny fijoroan’ny The First Toastmasters Club of Madagascar hanampy ny mpikambana ao aminy hifehy ny teny anglisy amin’ny serasera sy ny fahaiza-mitarika amin’ny fandraisam-pitenenana imasom-bahoaka.
Tanjona ny hampatoky tena ny mpikambana rehetra sy handrisika azy ireo ho sahy hiteny manoloana olona marobe ka izay indrindra ny tohana entin’ny mpiandraikitra ny club. Tetikasa novolavolain’ny minisiteran’ny Fanabeazam-pirenena ny fametrahana ny club eto amintsika. Miara-miasa amin’ny masoivoho amerikanina izy ireo fa mpiahy kosa ny minisiteran’ny Fanabeazana. Nijoro ny volana jolay lasa teo ny club ary miasa eo ambany fiahian’ny Toastmasters International any Etazonia. 30 ny mpikambana ho an’ny club eto Madagasikara izay mihaona isan-kerinandro eny Tanjombato.
Tenim-pirenena ampiasaina betsaka indrindra amin’ny serasera amin’ny asa sy ny fandraharahana ny teny anglisy amin’izao fotoana izao.
Vonjy A.
Les commentaires sont fermées.