Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Ambohimahasoa: taksiborosy nifandona tamin’ny moto, roa lahy indray maty

Ambohimahasoa: taksiborosy nifandona tamin’ny moto, roa lahy indray maty

Maty tsy tra-drano ireo roa lahy nitaingina moto nifandona tamin’ny taksiborosy Sprinter iray tao Ambohimahasoa, omaly…

Nitrangana lozam-pifamoivoizana namoizana ain’olona indray tao Ambohimahasoa, amin’iny lalam-pirenena fahafito iny, omaly. Nifandona tamin’ny taksiborosy iray ny roa lahy nitaingina moto. Mafy ny fifandonana satria nipitika avy eny ambony moto ka nianjera tamin’ny arabe izy roa lahy ary namoy ny ainy vokatr’izay fianjerana izay. Araka ny fanazavan’ireo olona nahita ny fitrangan’ny loza, vokatry ny fandehanana mafy ny nahatonga ny loza ka samy tsy nahafehy ny familiana intsony na ilay taksiborosy na izy roa lahy nandeha moto. Potipotika tsy nisy noraisina intsony ilay moto noho ny dona nahazo azy tamin’ilay taksiborosy. Nahitana fahasimbana ihany koa ilay fiara. Tsy nisy naninona kosa ireo olona tao anatin’ilay taksiborosy na somary mafimafy ihany aza ny fifandonana, raha ny fampitam-baovao voaray. Matetika itrangana lozam-pifamoivoizana hatrany ny lalam-pirenena, tsy misy afa-tsy ny fitandremana ihany satria tampoka ny fiavian’ny loza. Tokony samy hitandrina ireo mpampiasa lalana, indrindra ireo mpamily taksiborosy. Ny mpitondra moto koa, tokony hanaja hatrany ny lalàna mifehy ny fifamoivoizana hialana amin’ny loza toy izao.

J.C

Les commentaires sont fermées.