
Hiavaka tsy ho toy ny mahazatra ny fiadiana ny ho tompondakan’i Madagasikara, taranja rugby na ny “Gold Top 20”, amin’ity. Niverina hifaninana indray mantsy ireo klioba niala tao anatin’izany.
Niverina hifaninana, hiady izay ho tompondakan’i Madagasikara, taranja rugby “Gold Top 20” indray, amin’ity, ny TFA sy ny Uscar ary ny 3FB. Ankoatra azy ireo, handray anjara ihany koa ny ligim-paritr’i Boeny sy Atsinanana. Araka izany, hisy lalao hatao any amin’ireo faritra ireo ka hanampy ireo fileovana amin’ny fandehanana any ny Malagasy rugby, ary ny ekipa mpampiantrano kosa no hiantoka ny fampiantranoana sy ny fampisakafoana.
Hanomboka, ny asabotsy 29 sy ny alahady 30 septambra ho avy izao, ny andro voalohany, amin’ity fihaonana ity.
Tontosa, omaly talata teny amin’ny foiben’ny Star Andraharo, ny antsapaka ho an’ireo ekipa 20 hiady ny ho tompondakan’i Madagasikara 2018. Marihina fa hisolo tena an’i Madagasikara, eo amin’ny fiatrehana ny ho tompondakan’ny ranomasimbe Indianina (Aroi 2019), ireo ekipa roa voalohany, miatrika ny famaranana.
Marihina fa efa nahatratra 5 taona izao ny niarahan’ny orinasa Star sy ny Malagasy rugby niasa, nahitam-bokany hatrany. Mbola nohavaozina indray izany fiarahana izany ka nampisalorana ny vokatra Gold ny fifaninanana. Hisy loka ho an’ireo mpilalao mendrika sy mpampidi-baolina be indrindra ary ny klioba tsara filalao, mandritra ny “Gold Top 20”.
Torcelin
Ireo fizaram-bondrona :
Sokajy «A» : USA, Uscar, VTMA, XV Fa Ampasika.
Sokajy «B» : STM, TFA, USI, SCB, FBM.
Sokajy «C» : FTM, JSTA, 3F5, XV Avenir, Boeny
Sokajy «D» : Cosfa, 3FB, UIRC, FTA, Atsinanana DATE
Fandaharan-dalaon’ny andro voalohany
Asabotsy 29 septambra
Kianja Alarobia
-11: 00 – UIRC # Cosfa
-01 : 00 : JSTA # XV Avenir
-03 : 00 –Uscar # XV Fa
Alahady 30 septambra
Kianja alarobia
-11 : 00 – USA # Asa
-01 : 00 – TFA # USI
-03 : 00 – STM # SCB
.
Les commentaires sont fermées.