Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

“Opération Fandio”: ramatoa nahatrarana rongony marobe

“Opération Fandio”: ramatoa nahatrarana rongony marobe

Mitohy hatrany ny hetsika ataon’ny zandarimariam-pirenena ao amin’ny vondron-tobim-pileovana ao amin’ny faritra Atsinanana amin’ny alalan’ny “Opération Fandio”. Nahitam-bokany izany, renim-pianakaviana iray 32 taona nahatrarana rongony marobe…

Tao anatin’ny herinandro, efa roa izay ny renim-pianakaviana saron’ny zandary tamin’ny alalan’ny hetsika “Fandio”. Ny faran’ny herinandro teo, voasambotra tao an-tranony eny Tanamakoa Toamasina ity renim-pianakaviana iray niaraka tamin’ny fehezan-drongony  marobe. Nandritra ny famotorana savaranonando azy no nahafantarana fa amidiny 5 000 Ar ny fehezan-drongony iray raha 2 000 Ar kosa ny fonosan-drongony iray antsoin’ireo mpifoka azy hoe baomba. Ireo tovolahy kosa ny ankamaroan’ireo mpanjifany ary misy koa vehivavy ary amin’ny takariva no tena isan’ny mandeha ny tsenan’ity renim-pianakaviana ity, araka ny famotoran’ny polisy azy. Nambaran’ity renim-pianakaviana ity fa avy any amin’ny kaominina ambanivohitr’Ifito, distrikan’i Toamasina II no fiavian’ireto zava-mahadomelina tratra tany aminy ireto. Nohamafisin’ny kaomandin’ny vondron-tobim-paritry ny zandarimariam-pirenena ao amin’ny faritra Atsinanana, ny Kly Ranaivoarison Théodule fa mazava ny antony mahabetsaka ny mpanjifa zava-mahadomelina amin’izao fotoana izao. Entin’ireo jiolahy hakana hery sy risika hanaovana asa ratsy itony zava-mahadomelina itony. Izany rahateo no mahatonga ireo ankizy tsy ampy taona mahavita zavatra tsy azon’ny saina eritreretina ary manana fahasahiana mamono olona tsotra izao, raha ny nambaran’ity manamboninahitra ity hatrany. Nohamafisiny fa manana adidy amin’izany ny ray aman-dreny sy ny fiarahamonina ka atolotra anareo hatrany ny laharana telefaonina finday hahafahana miantso ny zandary raha misy tranga mampiahiahy dia ny 034.20.145.97 / 034.14.006.56 , hoy hatrany ny Kly Theodule.

Sajo sy J.C

Les commentaires sont fermées.