Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Musée du Quai Branly: hisehatra any Frantsa ry Rasoalalao Kavia

Musée du Quai Branly: hisehatra any Frantsa ry Rasoalalao Kavia

Tsy fahita firy…Hiakatra an-kianja, any Frantsa, ny tarika Rasoalalao Kavia, amin’io volana novambra io. Tafiditra indrindra ao anatin’ny hetsika antsoina hoe « Festival de l’imaginaire » izao dian’ny tarika any ivelany izao. Azo lazaina ho tombony lehibe ny fandraisana anjara amin’ity « festival » iray ity.

Sehatra ampahafantarana kolontsaina, zavakanto, vakoka sy fomba amam-panao avy amin’ny firenen-tsamihafa ny “Festival de l’imaginaire”. Araka izany, manantombo indray ny varavarana misokatra, hanehoana ny mampiavaka antsika Malagasy. Indroa hiaka-tsehatra ry Rasoalalao Kavia: ny 10 sy ny 11 novambra.

Tsiahivina fa aranty ao amin’ny Musée du quai Branly ny zavakanto malagasy sy ny tantaran’i Madagasikara, hatramin’ny volana janoary 2019. Azo lazaina ho mifameno tanteraka amin’ity hetsika ity izao fampisehoana hiragasy izao. Ny mampiavaka azy amin’ny hiragasy fahita aty amintsika fotsiny, tsy hisy loatra ny “adin-kira” satria tarika tokana no handray anjara. Na izany aza, hiavaka hatrany ity zavakanto sy kolontsaintsika ity.

Marihina fa miisa 13  ireo firenena hanana solontena mandritra ity “Festival de l’imaginaire”, any Frantsa, ity.

Landy R.

 

Les commentaires sont fermées.