Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Moramanga: 4×4 nifatratra tamina kamiao, olona iray naratra mafy

Moramanga: 4×4 nifatratra tamina kamiao, olona iray naratra mafy

Voalaza fa tapaka hisatra ity fiara 4×4 nitondra mpianakavy ka nifatratra tamina kamiao iray tao anaty tetezana vao hiditra an’i Moramanga, omaly. Naratra mafy voatery naiditra hopitaly ny olona iray. Mba tsy nisy naratra mafy kosa ireo ankizy tao anaty fiara 4×4. Nanapaka ny lalana naharitra ora maromaro mihitsy ity loza ity. Tonga teny an-toerana ny mpitandro filaminana nanao ny fizahana sy ny famotorana. Ny naratra, nalefa notsaboina tany amin’ny hopitaly.

Fiara Renault 9 iray ihany koa, nisy olana teknika ka nifaoka mpandeha an-tongotra miisa sivy, teny Ambohibao ny asabotsy teo. Naratra avokoa ireo mpandeha an-tongotra ireo, ary nisy iray tena voa mafy naiditra teny amin’ny HJRA. Teny amin’ny hopitaly Ambohibao kosa ny ambiny no nentina. Tonga teny an-toerana ny zandary ary notanana avy hatrany ilay mpamily ilay fiara.

Yves S.

Les commentaires sont fermées.