
Niorina ny taona 1998 ny tarika G4Tro. Anarana midika ho tovolahy miisa 4 mamondron-talenta ho amin’ny fikirakirana hira sy mozika. Tany am-piandohana, nirona kokoa tamin’ny fanasongadinana ny loko « boys band » ny tarika. Ampahany amin’ireo hira nahafantarana an’i Ricky, i Tony, i Chris Andry ary i Steph tamin’izany ny “Sengisengy”, “Moramora”, “Manahirana”, “Patati patata”.
Ankehitriny, tapa-kevitra ny hanohy ny fanjohiana ny lalan-tsarotry ny mozika ny tarika G4Tro. Hivelatra amin-gadona hafa tahaka ny mozika mafana sy ny maka milamina izay samy hifaka amin’ireo mozika nentim-paharazana malagasy izy efatra miarahalahy mandrafitra ny “G4Tro” ahazoana manome hafinaretana ireo mpankafy manerana an’i Madagasikara.
Tombony ho an-dry zalahy ireto ny fahenoana mandrakariva anatin’ireo vazony ilay fizaram-peo kanto manaraka ny fenitry ny mozika. Mirakitra hafatra sahaza ny isan-tokonana ihany koa ny tononkiran’izy ireo. Saika tazana ao avokoa ny tantaram-piainana maro eny anivon’ny fiarahamonina. Vazo vao mangotraka natosak’izy ireo ny “Gasikara nosimalala” hiampy ny “Akory aby !” izay hivoaka tsy ho ela. Hanao tohivakana ny fiakarana an-tsehatra ho an’ny “G4Tro” atsy ho atsy.
Nanangona: HaRy Razafindrakoto
Les commentaires sont fermées.