
Nihaona tamin’ny Praiminisitra Ntsay Christian, omaly talata teny Mahazoarivo, ny iraka avy amin’ny Tahirimbola iraisam-pirenena (FMI), notarihin’i Marshall Mills. Anisan’ny noresahina ny fandaharanasa Fanamorana ny famatsiam-bola nitarina (FCE) ho an’i Madagasikara. Nasian-teny bebe kokoa ny fanatanterahana ny fandaharanasa mifantoka amin’ny toekarena ankapobeny sy ny asa vitan’ny governemanta malagasy nandritra ny taona 2017 sy ny 2018. Tafiditra ao anatin’izany ny fitomboan’ny harinkarena, ny fampidirana ny volam-panjakana, ny tahan’ny sandam-bola Ariary mihoatra amin’ny vola vahiny ary indrindra, ny ezaka sy ny fanamby mila ataon’ny fanjakana sy ny governemanta malagasy.
Njaka A.
Les commentaires sont fermées.