
Tontosa, ny alatsinainy 24 septambra lasa teo, tany Londres, ny lanonana nisafidiana izay mpilalao mendrika ho an’ny federasiona iraisam-pirenen’ny baolina kitra (Fifa the best player 2018). Voahosotra ho mpilalao mendrika ilay Kroaty, i Luka Modric, ao amin’ny Real Madrid. Raha tsiahivina, ny zava-bitany nandritra ny “Mondial 2018” sy ny nahazoany ny “Ligue des champions d’Europe” intelo misesy niaraka tamin’ny Real Madrid no tena naharesy lahatra ireo mpifidy ka nanome azy ny amboara.
Ankoatra azy, nomena ilay Frantsay, i Didier Deschamps, kosa ny mpanazatra mendrika. Izy izay nitondra ny ekipam-pirenena frantsay, nandrombaka ny “Mondial 2018”. Natolotra ho an’ilay Egyptianina, i Mohamed Salah, lohalaharan’ny Liverpool, kosa ny loka “Puskas” na ny baolina maty tsara indrindra. Ny baolina matiny, tamin’ny fihaonana tamin’ny Everton no tena nankafizan’ireo mpifidy azy.
Tompndaka
Ireo loka natolotra :
–Mpilalao lehilahy mendrika : i Luka Modric
-Mpilalao vehivavy mendrika : i Marta
-Mpanazatra lehilahy mendrika : i Didier Deschamps
-Mpanazatra vehivavy mendrika : i Reynald Pedros
-Mpiandry tsatoby mendrika : i Thibaut Courtois
-Loka Puskas : i Mohamed Salah
Les commentaires sont fermées.