Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Kitra any Alaotra Mangoro: 24 ireo ekipa hiady ny ho tompondaka

Kitra any Alaotra Mangoro: 24 ireo ekipa hiady ny ho tompondaka

Mahatratra efatra amby roapolo, ny isan’ny tarika miady ny ho tompondakan’ny baolina kitra ao amin’ny disitrikan’Ambatondrazaka, amin’izao fotoana izao. Mitovy amin’ny isan’ny kaominina, saingy samihafa ny fahafehezana ny fitsipi-dalao, miova matetika. «Tara na tsy tonga hatrany ambanivohitra matetika ireny fiovana ireny”, hoy i Dimbiharinirina Manoroharolaza, tale teknikan’ny seksion’Ambatondrazaka. «Betsaka  ny lafiny  mahatsara azy fa misy lafiny ratsy ihany koa», hoy izy. Ny lafiny mahatsara azy, mitovy amin’ny faheno etsy sy eroa, resy lahatra ireo mpilalao fa mila asiana rindrany sy paikady ny lalao raha te-hahita vokatra tsara, koa misy fahaiza-manao mila fehezina. Ny lafiratsiny indray, ny hamerina ireo fihetsika mampitolagaga afitsok’i Ronaldo na i Messi no mahamay ny mpilalao sasany,  araka ny fanamarihan’ity teknisianina ity, mpilalao tao amin’ny Voromaherin’Alaotra, teo aloha. Tetika enti-mampandroso ampiharin’ny sekision’Ambatondrazaka,  ny hitaky ny tsy maintsy ananan’ny isan-tarika mpanazatra.. Hiompana amin’ny fanatevenana ny fahaiza-manaon’izy ireo, ny ezaka ifotoran’ity tale tekinika ity, araka ny nambarany.

 

Rarivo.

Les commentaires sont fermées.