Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Herisetra mpahazo ny ankizy: mpanao gazety 25 nahazo fiofanana tamin’ny Unicef

Herisetra mpahazo ny ankizy: mpanao gazety 25 nahazo fiofanana tamin’ny Unicef

Nifantoka tamin’ny lohahevitra momba ny fiarovana ny ankizy amin’ny “internet” ny fampiofanana nomen’ny Unicef ireo mpanao gazety miisa 25 mianadahy, notanterahina tao Nosy-Be Hell Ville, ny herinandro lasa teo. Betsaka ireo ankizy iharan’ny herisetra eto Madagasikara, indrindra amin’ny fampiasana ireny teknolojia toy ny “facebook” sy ny “internet” ireny. Manana andraikitra goavana amin’izany ny mpanao gazety ka antony nisian’ity fiofanana manokana ity izany. Ramatoa Mariam Gopaul, “consultante facilitatrice protection des enfants en ligne” no nitarika ny fampiofanana, nanasongadina ny zo fototra tokony hananan’ny ankizy amin’ny maha ankizy azy, araka ny lalàna fototra iraisam-pirenena momba ny zon’olombelona. Ahitana ireo ankizy tsy ampy taona iharan’ny herisetra ny ao Nosy Be Hell Ville. Manaporofo izany ny fisian’ireo teratany vahiny sasantsasany manao fihetsika mamoafady amin’ny ankizy tsy ampy taona amin’iny faritra iny. Nisy ny lalàna nivoaka momba ny “cybercriminalité”, ny volana jolay 2014, lalàna 2014-006 mikasika ny fiarovana ny ankizy eto Madagasikara. Nandritra ity fiofanana ity, nanamafy ny fahaiza-manaony momba ny fikirakirana famoahana vaovao amin’ny fiarovana ny ankizy iharan’ny herisetra ny mpanao gazety. Isan’ireo nanome fampiofanana ny lalàna tokony ho fantatry ny mpanao gazety momba ny fiarovana ny ankizy tsy ampy taona ny solontenan’ny minisiteran’ny Fitsarana. Teo koa ny avy amin’ny Autorité de régulation des technologies (Artec), nanazava manokana ny fihazakazaky ny teknolojia ka isan’ny mampirongatra ny herisetra mpahazo ny ankizy. Isan’ny nanome fampiofanana koa ny avy amin’ny polisy misahana ny fiarovana ny zaza tsy ampy taona sy ny avy amin’ny sampandraharaha misahana ny “cybercriminalité”.

Jean Claude

Les commentaires sont fermées.