Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Fimpima maneran-tany: any Antsiranana ny Zaikabe faha-4

Fimpima maneran-tany: any Antsiranana ny Zaikabe faha-4

Raha ny fandaharam-potoana efa voaomana, ny 30 septambra izao, ho tonga any Antsiranana ny mpizaika rehetra. Hotanterahina any an-toerana tokoa ny Zaikabe faha-4 ho an’ny Fikambanan’ny Mpikabary Malagasy maneran-tany (Fimpima maneran-tany). Ny alatsinainy 1 oktobra, manomboka amin’ny 8 ora maraina ny lanonam-panokafana arahina fitsidihana fampirantiana… Ankoatra izay, fotoana hanatanterahina ny fivorian’ny komity foibe  ny Zaikabe tahaka izao ho an’ity fikambanana lehibe sy zokiny indrindra eo amin’ny tontolon’ny kabary ity. Ao ihany koa ny fitsidihana ireo toerana manan-tantara any an-toerana. Ny seho isam-paritra izay hanasana ny vahoakan’Antsiranana.

… Andrasan’ny olona maro mandritra izao Zaikabe faha-4 izao kosa ny fifidianana ny ho filoha isan’ambaratongany eo anivon’ny Fimpima maneran-tany. Ny zoma 5 oktobra no hanao ny fianianany ireo filoha rehetra voafidy tamin’izany.

Tafiditra ao anatin’ny fandaharam-potoan’ny Fimpima maneran-tany ao anatin’ireo andro ireo ihany koa ny fifaninanana isan-karazany, toy ny fanatanjahantena, ny hira, ny dihy, sns.

HaRy Razafindrakoto

Les commentaires sont fermées.