Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Fampirantiana nahandro sy sakafo: hisy fampianarana maimaimpoana mahandro

Fampirantiana nahandro sy sakafo: hisy fampianarana maimaimpoana mahandro

Hetsika fanao isan-taona, miditra amin’ny andiany fahadimy ny fampirantiana momba ny nahandro sy ny sakafo eny amin’ny Alliance française Andavamamba manomboka ny zoma izao ary maharitra hateloana. Nitombo ny isan’ny mpandray anjara manome lanja ny sakafo tena malagasy toy ny koba, ny mokary… ary ny sakafo avy amin’ny vokatra nahodina samihafa. Ankoatra ny fampirantiana, mikarakara fifaninanana ahazoan’ny mpandray anjara loka marobe ny mpikarakara. Hisy famelabelarana manodidina ny nahandro sy ny sakafo koa ao anatin’ny telo andro. Hampiavaka ny hetsika amin’ity taona ity ny sakafo mamy nokarakarain’ny mpanao mofomamy sy mpahandro malagasy. Atolotra ny mpitsidika ny sakafo avy amin’ny voankazo naseho amin’ny endrika maro hanomezana fahafaham-po ny mpihinana. Ampahafantarina ao koa ny zaridaina mikirakira ny akora voajanahary rehetra azo atao amin’ny tanàn-dehibe tsy misy toerana malalaka. Mampiavaka ny andiany fahadimy ny fampianarana mahandro karakarain’ny tomponandraikitry ny AFT.

Ho an’ireo vonona hanatrika ny fampianarana mahandro, afaka misoratra anarana eny an-toerana izy ireo ary tsy misy ny vola aloa fa maimaimpoana avokoa, araka ny fanamarihan’ny mpikarakara, i Rindra Dupré.

Vonjy A.

Les commentaires sont fermées.