Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Fakana sokatra: “Ny ambony mihitsy no maniraka, tsy voasambotra…”

Fakana sokatra: “Ny ambony mihitsy no maniraka, tsy voasambotra…”

Mitohy hatrany ny fakana an-tsokosoko sokatra sy fanondranana an-tsokosoko azy ihany any ivelany, indrindra any amin’ny kaominina Androka, faritra Atsimo Andrefana. Mahazo vahana hatrany io fangalarana sokatra any atsimo io, nanomboka ny taona 2010 hatramin’izao.

Olona tsy fanta-pihaviana, tsy mponina any an-toerana, ny ankamaroan’ireo miditra any amin’ny kaominina Androka, ohatra, any anaty ala “mikarama” maka ireo sokatra ireo, na ny lehibe na ny zanany. Misy mihitsy tambajotra matanjaka tonga any an-toerana miaraka amina fiara 4×4 sy fitaovam-piadiana mandrahona ireo miaro izany. Efa nitondra fitarainana momba izany hatry ny ela ny Vondron’olona ifotony (VOI), saingy tsy hita izay fandraisana andraikitra avy amin’ny fanjakana.

Misy anefa ny sampandraharam-paritra momba ny tontolo iainana, ny mpitandro filaminana sy ny fitsarana, nefa toa mandeha ho azy ny famoahana ireo sokatra ireo, raha ny fitarainan’ny mponina any an-toerana, fantatra fa karazan’olona fady sokatra, tsy mikitika izany mihitsy. Zara raha misy 1 000 Ar ny vidin’ny iray handraisan’ireo mpanao trafika azy, nefa tsy latsaky ny 1 000 dolara (manodidina ny telo tapitrisa Ar) ny vidiny any ivelany. “Ny ambony any mihitsy ny mpaniraka maka ireo sokatra ireo nefa tsy mbola misy voasambotra na voasazy”, hoy ny mponina any an-toerana

Taterina amin’ny fiara ireo sokatra ireo mankany Toliara. Misy ampahany, ampiakarina avy hatrany aty an-dRenivohitra. Fantatra ihany amin’ny vaovao heno ny fahatraran’ny mpiasan’ny fadintseranana azy ireo nefa tsy hita ny tohiny… Miverina any an-toerana indray ireo olona tratra mandrahona. Midika izany fa matanjaka io tambajotra mpangalatra sy mpanondrana sokatra io matoa votsotra na efa tratra aza ny sasany amin’izy ireo.

 

R.Mathieu

Les commentaires sont fermées.