Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Fahafatesana diplaomaty: naiditra am-ponja eny Tsiafahy ilay tovolahy voasambotra

Fahafatesana diplaomaty: naiditra am-ponja eny Tsiafahy ilay tovolahy voasambotra

Any Tsiafahy no miandry ny fitsarana azy ilay tovolahy 27 taona voarohirohy amin’ny fahafatesana amerikanina. Mbola raharaha hafa anefa ity nahavoatazona azy ity!

Natolotra ny fampanoavana, omaly, ilay tovolahy 27 taona, voasambotra teny Ambohibao, voarohirohy tamin’ny famonoana ilay diplaomaty amerikanina, ny asabotsy alina teo. Naiditra vonjimaika am-ponja eny Tsiafahy avy hatrany izy io. Voalaza anefa fa tsy ilay raharaha fahafatesana amerikanina ity nampidoboka azy ity, fa resaka fanodinkodinam-bola nataon’ilay tovolahy tao amin’ny orinasa niasany. Efa nisy ny didy fikarohana sy fisamborana azy ity talohan’izao. Mbola tratra tamin’ity resaka famonoana vazaha ity koa ny lehilahy. Mbola nihosin-dra izy tamin’ny nahatraran’ny zandary azy, ary nahita vola 1,5 tapitrisa Ar      tany aminy tamin’izany. Efa niaiky moa izy fa niaraka tamin’io vazaha io tokoa, ary tany amin’ny karaoke nifankahitan’izy ireo. Nitohy tany amin’ny trano nipetrahan’ilay vazaha ny fiarahana ka niitatra tamin’ny ady. Tsy fantatra kosa anefa ny anton’ny ady ka niafara tamin’ny fahafatesana.

Noraisin’ny amerikanina

Araka izany, mbola hisy ny famotorana lalina ho an’ity tovolahy ity momba ity vonoan’olona ity, raha mbola ilay resaka fanodinkodinam-bola no nidirany am-ponja. Nahavariana ny olona kosa anefa raha izay resaka vola izay no nidirany eny Tsiafahy. Andaniny, noraisin’ny amerikanina ihany koa ny fanadihadiana lalina momba azy ity. Nilaza ny avy amin’ny masoivoho amerikanina fa efa nanokatra fanadihadiana ny mpanao famotorana amerikana sy ny manam-pahefana malagasy ary efa misy olona ahiahina notazonina am-ponja ankehitriny. Andrasana noho izany tohin’ny fanadihadiana lalina momba ity raharaha ity.

Yves S.

Les commentaires sont fermées.