Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Behoririka: sinoa nahatrarana finday hosoka marobe

Behoririka: sinoa nahatrarana finday hosoka marobe

Voasambotry ny polisy avy ao amin’ny « Service central de surveillance de territoire » Anosy, ny 19 septambra 2018 lasa teo teny Behoririka, ny teratany sinoa iray. Araka ny fanazavan’ny polisy, voarohirohy noho ny fivarotana telefaonina finday hosoka izy. Nahazo loharanom-baovao ny polisy momba ny fisian’ity teratany sinoa mivarotra telefaonina hosoka eny amin’ny faritra Behoririka iny. Rehefa nanao fanadihadiana ny polisy, fantatra fa hosoka tokoa ny marik’ireo telefaonina namidin’ilay Sinoa. Nanamafy izany rahateo koa ny tranombarotra finday tompon’ilay marika fa hosoka avokoa, tsy mitovy amin’ny marika tena izy, ny telefaonina amidin’ity Sinoa ity. Nitohy hatrany ny fanadihadiana nataon’ny polisy ka noraisim-potsiny teo am-pivarotany eny Behoririka, ny 19 septambra 2018 lasa teo, ilay Sinoa. Fantatra, nandritra ny fanadihadiana nataon’ny polisy, fa any Sina no amboarina ireto telefaonina finday ireto ary entina amidy eto Madagasikara. Mbola nahitana telefaonina finday hosoka marobe miisa 3 000 tany aminy, nandritra ny fisamborana azy. Niaiky izy nandritra ny famotorana natao azy fa tsy tena izy ireo finday ireo fa hosoka.

J.C

Les commentaires sont fermées.