Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Antsahamarofoza: ho an’ny tily rehetra ny tanàna Tranombitsika

Antsahamarofoza: ho an’ny tily rehetra ny tanàna Tranombitsika

Notokanana, ny faran’ny  herinandro teo eny Antsahamarofoza, ny tanàna Tranombitsika an’ny tily eto Madagasikara.

Tamin’ny fomba skoto no nanajarian’ny tily eto Madagasikara (Tem) ny velaran-tany mirefy 3 ha ao Antsahamarofoza, kaominina Manandriana, distrikan’Antananarivo Avaradrano.

Ny taona 1994 ny nahazoan’ny Tem io tany io fa ny 16 desambra 2017 kosa vao nanapa-kevitra ny hanajary izy ireo. Nanomboka teo, niara-nientana ny tily rehetra am-perinasa sy ny tranainy (FMT2S) ka nanentanana ny mpikambana rehetra ny fomba fanaon’ny vitsika. Nahafahana nanangona ny volana nananganana ity tanàna ity ny anjara biriky nangonina tamina lalao mifindrafindra nanerana an’i Madagasikara.

 “Tranombitsika” ny iantsoana ny toerana izay azon’ny rehetra tsidihina satria ahitana toeram-pialamboly isan-karazany.

Tanàna natao handraisana lanonana sy fitsangantsanganana ary fanofanana ny tena ao anatiny. Heverina ho fidiram-bola maharitry ny tily ny fananana ity fotodrafitrasa ity.

Hotokanana, ny asabotsy izao, ihany koa ny trano fanofanana ao amin’ity tanàna ity.

Fotoana nanehoan’ny skoto ny fiaraha-mientana ny fananganana ny tanàna Tranombitsika. Natao tarigetra ny voasoratra ao amin’ny Ohabolana 6: 6 “Mandehana… Diniho ny fanaon’ny vitsika ka hendre”. Noporofoin’ny tily eto Madagasikara izany ka tratra ny tanjona ary izao mitsangana izao ny tanàna Tranombitsika.

Tatiana A

Les commentaires sont fermées.