Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Rn3: tovolahy maty vokatry ny lozana moto

Rn3: tovolahy maty vokatry ny lozana moto

Maty tsy tra-drano ny tovolahy iray nitondra moto scooter, tany amin’ny lalam-pirenena fahatelo, telo amin’ny toerana antsoina hoe Ambatomitokana, omaly hariva. Raha ny vaovao azo, nidona tamin’ny fiara iray teo amin’ny lalana miolaka ilay lehilahy io. Mafy ny fifandonana fa niforitra mihitsy ilay moto. Nipitika kosa ilay nitondra azy ary nahavodona ny lohany sy ny tratrany. Nandoha ra izy ary voalaza fa nitarika ny fahafatesany izany. Tany aminy ny kara-panondrony ary mpamboly avy any Anjozorobe izy io. Tonga teny an-toerana ny zandary nizaha ny loza, ary nanao ny famotorana avy hatrany.

Ny loza ateraky ny moto ihany koa izay anisan’ny mamono olona be indrindra eto amintsika. Ao anatin’ny iray volana, mety hisy tranga roa hatramin’ny dimy ahafatesana mitondra moto eto an-dRenivohitra. Sarotra ihany koa ny fifehezana ny mpitondra moto eto amintsika. Tsy mahafehy ny lalàna mifehy ny fifamoivoizana, mandeha mafy, sns.

Yves S.

 

Les commentaires sont fermées.