Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Kitra – «Poule des As»: tompondakan’i Madagasikara ny Cnaps Sport

Kitra – «Poule des As»: tompondakan’i Madagasikara ny Cnaps Sport

Tsy niala teo am-pelatanan’ny Cnaps Sport ny tompondakan’i Madagasikara, taranja baolina kitra. Resiny, teo amin’ny andro farany, tamin’ny «Poule des as», mantsy ny Fosa Jr Boeny. Lavon’izy ireo, tamin’ny isa tery, 1 no ho 0, tamin’ny alalan’ny “penalty” tafiditr’i Ronald, teo amin’ny fanampim-potoana 90 mn + 8, ny ekipan’i Boeny. Lalao notanterahina, omaly alahady teny amin’ny kianja Vontovorona.

Niady ny fihaonana ary samy nanao izay ho afany ny roa tonta. Nitady ady sahala fotsiny anefa ny Fosa Jr, raha tsy maintsy mandresy kosa ny Cnaps Sport. Tsy nisy nitoko ny roa tonta tao anatin’ny 90 mn. Nisy anefa ny fanampim-potoana, ary tao anatin’izany no nahazo valim-panafihana i Niasex, izay voafingan’i Gapa, mpiandry tsatobin’ny Fosa Jr. Nanondro ny teboky ny “penalty” ny mpitsara. Tsy nanaiky izany anefa ny Fosa Jr ka niala ny kianja. Tsy niverina tamin’ny fanapahan-keviny ny mpitsara.

Nisy ny fifanazavana, teo amin’ny mpitsara sy ny mpanazatra ny Fosa Jr, saingy tsy nety niverina niakatra kianja intsony ireo mpilalao. Nodakana tsy nisy mpiandry tsatoby ny baolina ary tafiditra soa aman-tsara.

Teo amin’ny lalao iray, lavon’ny Elgeco Plus, tamin’ny isa 3 no ho 2 ny, FCV Vakinankaratra.

 

Tompondaka

Les commentaires sont fermées.