Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Hevitra mandalo; resaky ny mpitsimpona akotry: fahaizana sy fahendrena

Ao ankatoky ny fifidianana izao maro ny fanehona fanirina mikasika ny toetra sy fanahin’ny filoha izay ho fidiny. Ny fanirina ny fananan’ny fahaizana no matetika miverina. Tsy afaka amaivanina mihitsy moa izany fananana fahaizana izany, ny fandehanan’ny raharaha mitaky fahaiza-mandinika lalina ny raharaha aman’asa eo amin’ny lafiny rehetra ary izany eo amin’ny sehatra tsy ankanavaka. Fahaiza-mandinika no resaka fa tsy fahaizana manokana ara-teknika momban’ny zava-drehetra. Eran-tany tsy misy filohampirenena na iray aza mahafehy ny zava-drehetra eo amin’ny lafiny teknika, ary na eto an-toerana na any ivelany dia samy manana ny fahaizany manokana eo amin’ny sehatra na taranja iray ny filoha nifandimby toerana teo amin’ny fitondrana tampony, tsy misy koa moa na fianarana manomana amin’izany na diplôma mitory mari-pahaizana mahafa-po teo am-pamaranana ny fandalinana fianarana ahafahana mizaka an’ilay adidy mavesatra eo amin’ny fitantanana. Noho izany no ahitana karazana teknisiana samy hafa miandraikitra ny fitondra-pirenena, tsy ampy anefa ny maha hoe mpitsara, na injeniera, na dokotera, na mpandalina amin’ny sampana izao na izao, ahafahana hieverina ny fahazakana an’izany adidy izany, ary na tsy dia nandia fianarana ambony lavitra aza ka manan-tsaina andinika lalina dia efa tokony ho ampy. Fa na inona na inona akingan-tsaina, izay voalaza fa ilaina, tsy mandeha ila izany, ary maivana raha tsy eo ny fahendrena. Tsy misy koa anefa na fianarana ahafahana anovozana fahendrena, na diplaoma milaza ny fetra momban’ny fananana fahendrena. Ahoana aza noho izany ny fomba anavahana ny tsara sy ny ratsy ? Miverina any amin’ny mpifidy ny fitsarana ary tsy misy sivana fa miankina amin’ny fahaizan’ny tsirairay mandinika arakarak’izay fomba fandalinany ny fombafomba azony taratra avy amin’ny teny sy hetsika asehon’ ireo mpilatsaka. Mitombona ve ny zavatra aroson’izy ireo ? Manana fahasahina hanatanteraka sa vavany fotsiny no fahitana azy ? Mandoka tena tafahoatra fotsiny sa mampiseho fanetre-tena na tazana aza fa manana fahatokisan-tena izy ireo ?… Ny làlana nodiaviny ve manampy ny fanomezana toky amin’izay ambarainy amin’izao fotoana fandresen-dahatra izao, sa mahavelona ahiahy ka mahatonga fisalasalana sao dia famahanan-dalitra indray no ataony ao anatin’ny kabary tsara lahatra ? Ny atao hoe demôkasy dia miverina any amin’ny fahendren’ny ntaolo izay nanambara fa ny hevitry ny maro mahataka-davitra, tsy tanteraka anefa izany raha toa tsy samy mandalina an-tsaina sy mikaroka ny marina sy ny rariny ny tsirairay. Aza heverina fa ny mpilatsaka no ratsy fa ny fahaizan’ny mpifidy nandanjalanja no tsaraina eo amin’ ny vokatry ny fifidianana.

Léo Raz

 

Les commentaires sont fermées.