Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

HCC tao Toamasina: “Tsy maintsy  hatao ny fifidianana”

HCC tao Toamasina: “Tsy maintsy  hatao ny fifidianana”

 

Tsy azo ihodivirana. Manao ranolava ireo ny fahatongavan’ireo andrimpanjakana mitondra fanazavana. Namelabelatra sy nampahafantatra ny HCC sy ny rafitra ao aminy ary ny fomba fiasa sy ireo andraikitra sahaniny ny varavarana misokatra notanterahina taty Toamasina ny herinandro teo. Nitarika ny atrikasa ny filohan’ity andrimpanjakana ity, Rakotoarisoa Jean Eric. Nambarany niainga amin’ny fanontaniana marobe sy ny ahiahin’ny maro fa tsy maintsy hirosoana ary hatao amin’ity taona ity ny fifidianana. “Tsy mitombina ny siosion-dresaka sy feo miely etsy sy eroa fa tsy hisy izany”, hoy izy.

Tsiahivina fa efa tany Toamasina intelo miantoana koa ny avy amin’ny Ceni ary nanao atrikasa sy famelabelarana tahaka izao.

Sajo

Les commentaires sont fermées.