Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Fifidianana: nahazo foibe ny KMMR

Fifidianana: nahazo foibe ny KMMR

Notokanana ny herinandro teo ny foiben’ny Komity mpanohana an’i Marc Ravalomanana (KMMR). Hifaneraserana sy hiatrehana ny fifidianana ity birao etsy Bel Air ity. Nampahatsiahy ny lalana nodiaviny ny mpanorina ny Tim, Ravalomanana, tamin’ny lahateniny. Niainga teo amin’io toerana io rahateo ny fihariany. “Mila finiavana sy fahasahiana isika”, hoy izy. Naneho ny fahavononany hiatrika ny adihevitra fifanatrehana amin’ireo kandidà ny tenany amin’ny fampielezan-kevitra. Nohitsiny fa manana porofo sy marina amin’ny tantara teto amin’ny firenena ny tenany. Nanteriny koa fa anisan’ny fitaovana ho amin’izao fifidianana izao ny foibe tahaka ity notokanana ity. “Ilaina ny manana herin-tsaina sy tanjaka amin’ny finoana. Eo koa ny fitaovana hiatrehana ny fifidianana. Tsy mitovy amin’ny taloha ny fifidianana amin’ity ka nahatonga ny fanavaozana ny trano”, hoy izy.

Synèse R.

Les commentaires sont fermées.