Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Fanohanana ny hetsika fanadiovana: nahazo fitaovana avy amin’ny IEM ny eny Ambohimangakely

Fanohanana ny hetsika fanadiovana: nahazo fitaovana avy amin’ny IEM ny eny Ambohimangakely

Nihazo ny eny Ambohimangakely indray ireo mpiara-miasa akaiky amin’ny mpanorina ny IEM, ny herinandro  teo. Nitondra fanampiana ho an’ireo mpanadio tanàna, araka ny fangatahana nataon’izy ireo nandritra ny fandalovan’ny kandidà Rajoelina teny amin’ny Yandy By-Pass herinandro vitsivitsy lasa izay, izy ireto.

Asa fa tsy kabary. Anisan’ny nentin’izy ireo  tamin’izany ny fitaovana fampiasa amin’ny fanadiovana. « Maro ireo nangatahin’ny mponina nefa ireo tena ampiasaina no nekeny. Tiako hotenenina aminareo fa niasa mafy ny ekipa rehetra, taorian’ny fangatahanareo. Nitady ny fitaovana raitra sy maharitra, tsy mora simba ary tsara kalitao”, hoy ny mpiara-miasa amin’ny kandidà faha-13, Razakazafy Jean Marc. Natolotra  tamin’izany ny borety miisa enina, kiraro fitondra manadio miisa 10, arotànana miisa 10, borosy fanadiovana làlana miisa 10 ary akanjo fiaro miisa 10.  Nangataka « boulodrome » koa  izy ireo ka fantatra fa efa neken’ny mpanorina ny IEM ary efa miasa amin’izao ireo “architecte”.

Tsy mifidy saranga sy sokajin’olona ny IEM

Nambaran’ireo mpiara-miasa amin’ny kandidà Rajoelina fa tsy mifidy saranga sy sokajin’olona ny IEM. “Manampy ny olona rehetra ny vinany. Natao ho an’ny olona rehetra   ny IEM. Mbola santatra am-bavarano ihany. Hanatsara ny fari-piainan’ny tsirairay ny tanjona ary tsy Ambohimangakely na ny manodidina ihany fa manerana ny Nosy mihitsy  ny IEM. Hotetezina ny distrika 119 hijerena ny olana. Hojerena koa ny tetikasa mety any amin’ny faritra rehetra any”, hoy ihany ny mpiara-miasa amin’ny kandidà laharana faha-13.

Nankasitraka izany ireo nahazo tohana avy amin’ny IEM ary nampanantena fa hanohana azy amin’ny andro tokony hiarahana miasa. “Vonona hanadio amin’ireo fitaovana ireo izahay. Asa ny azy fa tsy kabary. Miharihary izao fa izy irery no hany afaka hampandroso an’i Madagasikara. Manampy anay tokoa izao satria teo aloha, mandray maloto izahay rehefa manadio. Voaaro izahay amin’izao fotoana izao », hoy ny solontenan’ny mponina, nandray ny fitaovana, Ravaonasolo Mahenina Florentine.

Randria 

Les commentaires sont fermées.