Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Beach soccer – “Can 2018”: tafita ny Barea

Beach soccer – “Can 2018”: tafita ny Barea

Tafakatra ary hiatrika ny dingana famaranana, hiadiana ny ho tompondakan’i Afrika “Can 2018”, taranja beach soccer, ny Barea de Madagascar. Nisaraka ady sahala, 5 no ho 5, tamin’i Mozambika mantsy ny ekipam-pirenena malagasy, nandritra ny lalao miverina, notanterahina ny asabotsy lasa teo tany Mahajanga. Nivoaka sempotra ihany anefa ny Barea vao nahazo ity tapakila ity satria nosahiranin-dry zareo Mozambikanina tanteraka. Efa nitarika tamin’ny isa, 5 no ho 4, mantsy i Mozambika no nanasahala ny isa i Dada, tany amin’ny minitra farany, teo amin’ny fizaram-potoana fahatelo.

Ny Barea de Madagascar anefa no nitarika tamin’ny isa, tao anatin’ireo fe-potoana roa voalohany. Samy nampiditra baolina tamin’izany i Toky sy i Angeluc ary i Richard. Mbola nahazo isa 2 indray avy eo ka lasa 4 no ho 1 ny isa. Nihevitra ny rehetra fa efa mazava ny lalana, saingy nosahalain’ny Mozambikanina ary nihoarany mihitsy.

Marihina fa ny fandresena, 5 no ho 4, azon’ny Barea, teo amin’ny lalao mandroso, no nahatafita azy. 10 no ho 9 ny fitambaran’ny isa, taorian’ireo fihaonana indroa miantoana ireo.

 

Tompondaka

Les commentaires sont fermées.