Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Bakalorea sokajy teknika: hitsinjara amin’ny foibe 11 ny mpiadina 4 769

Bakalorea sokajy teknika: hitsinjara amin’ny foibe 11 ny mpiadina 4 769

Hanomboka, anio ny dingana faharoa amin’ny fanadinana bakalorea ho an’ny fampianarana teknika, manerana ny Nosy. Eto Antananarivo, 4 769 ny mpiadina hiatrika izany hatramin’ny alakamisy ho avy izao. Telo ny foibem-panadinana ho an’ny eto Antananarivo Renivohitra : ny lycée Ampefiloha, ny lycée Professionnel Ampefiloha ary ny ivontoeram-pampianarana Sainte Famille Mahamasina. Ho an’ny ivelan’Antananarivo, valo ny foibem-panadinana handray ireo mpiadina, araka ny fanazavan’ny lehiben’ny ofisin’ny bakalorea, Rakotoarison Olivier, omaly. Ho an’ny sokajy “tertiaire” ahitana ny SS, ACTC, CG, hosantarina amin’ny taranja economie ny tapak’andro maraina ary ny mathématique financière ny tapany hariva. Hitohy amin’ny comptabilité ny talata maraina ary hodimbiasan’ny droit fiscal ny hariva ho an’ny CG. Ny statistique no hatrehina ny alarobia maraina. Misy fitsaharana kely ny fanadinana ny alarobia hariva. Mamarana ny dingana faharoa ny alakamisy ny droit commercial sy ny droit fiscal ny hariva. 9 182 ny mpiadina manerana ny Nosy.

Mizara roa ny sampana teknika: ny professionnel, ahitana ny agricole, ny génie civile, ny insdustriel ary ny tertiaire. Faharoa ny technologie.

Ho an’ny sampana fampianarana ankapobeny, manombika anio eny Ankatso ny fitsarana ny laza adina ho an’ny taranja rehetra. Tombanana ho vita ny tapaky ny volana oktobra ny fitsarana ny laza adina rehetra. 1 413 ny isan’ny mpitsara ho an’ny sampana fampianarana ankapobeny, raha 252 ho an’ny fampianarana teknika.

Vonjy A.

Les commentaires sont fermées.