Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Atrikasa momba ny drakaka: ambinambiny sy madinika sisa ho an’ny tsena anatiny

Atrikasa momba ny drakaka: ambinambiny sy madinika sisa ho an’ny tsena anatiny

Ny 20 sy 21 septambra lasa teo, natao tany Ambanja ny atrikasa ho fiarovana ny drakaka any amin’ny faritra Diana, Boeny, ary Sofia. Nikarakara io atrikasa io ny minisiteran’ny Jono sy ny harena anaty rano niaraka tamin’ny Wildlife Conservation Society, ny World Wide Fund, ny Blue Ventures, ary ny Conservation internationale.

Mampanahy ny haha ringana ny drakaka noho ny fahapotehan’ny ala honko fonenany any amoron-dranomasina, indrindra ny fandrafaona azy ireny amin’ny fotoana rehetra aondrana any ivelany. Ambinambiny sy madinika sisa ho an’ny tsena eto an-toerana. Tanjona tamin’io atrikasa io ny hitandrovana ny drakaka tsy haharipaka azy. Fanontaniana napetraka amin’ireo mpivory ny hoe “azo atao ve ny mahazo vokatra maro nefa tsy manjono tafahoatra”? 

Nandroso tolo-kevitra mazava ny minisitera ho fikajiana maharitra io lalam-pihariana io ho tombontsoan’ny rehetra sy ny taranaka any aoriana. Nofaritana ho lalam-pihariana laharam-pahamehana  ny drakaka any Diana, any Boeny, ary any Sofia, koa tsy maintsy atao ny famerenana ny ala honko fonenan’ireo harena an-dranomasina ireo.

Lohahevitra naroso nandritra ny atrikasa ny fomba fitrandrahana drakaka any avaratra andrefana ; ny hanomezan-danja ny fitrandrahana azy sy ny andraikitra mifanandrify amin’izany ; ny fizotran’ny lalam-pihariana any amin’ireo faritra ireo : olana sy vahaolana naroso na efa nampiharina ; ny ala honko any Sava ; ny fanaraha-maso any am-potony ; ny fanehoana ny tokony hatao.

Hanaovana tomban’ezaka amin’ny 2019

Nampifandraisina amin’ireo lohahevitra ireo ny jono mialoha ny fotoana mampihena ny vokatra ; ny kalitaon’ny vokatra voaangona (ohatra iray, any Ambaro) ; ny vokatry ny fokarohana siantifika ; ny sata napetraka hampaharitra ny fanjonoana drakaka anatin’ny ala honko any Diana, Tsimipaika ; ny tolokevitra fanakatonana ny jono hampaharitra ny fitrandrahana azy.

Niarahan’ireo mpivory nijery ny tsena eny Tsaramandroso ao Ambanja, fitohizan’ny fiaraha-nidinika amin’ireo mpanjono, mpanangom-bokatra, sy ireo ONG mpiara-miombon’antoka. Tohin’ny atrikasa natao tany Morondava  ny 26 sy 27 jolay lasa teo io natao io ary hotohizana mandritra ny atrikasa iraisana manerana ny Nosy hatao eto Antananarivo ny fiandohan’ny taona 2019, hanaovana tomban’ezaka ireo tolo-kevitra ireo.

 

R.Mathieu

Les commentaires sont fermées.