
Naheno horohorontany ny ankamaroan’ny mponina teto Antananarivo sy ny manodidina, ny talata maraina teo. Nanamarina izany ny teknisianina tetsy amin’ny Ioga Ambohidempona. Nisy ny fihetsehan’ny tany, ny talata tamin’ny 6 ora sy sasany maraina. Nahatratra 4,7 amin’ny mari-drefy Richter, izany horohorontany izany. Tany amin’ny 16,57 km avaratr’I Manjakandriana, 23km atsimon’i Mangamila no nisy ny foiben’ity horohorontany ity.
Nanamarika ny manam-pahaizana fa misy isan’andro ny fihetsehan’ny tany, saingy tsy henon’ny olombelona izany satria maivana. Rehefa tafakatra 4 amin’ny mari-drefy Richter, izany fihetsehana izany, vao tsapan’ny olona.
Tsiahivina fa tamin’ny volana janoary no nisy fihetsehan’ny tany mahery, nahatratra 6 amin’ny mari-drefy Richter. Nisy ifandraisany tamin’ny fihetsehan’ny tany tao Mayotte, io tamin’ny volana janoary io, raha ny fanazavan’ny tompon’andraikitra hatrany.
Tatiana A
Les commentaires sont fermées.