Ny lafiny kolontsaina sy ny vakoka indray. Anisan’ireo nanatrika ny fisokafan’ny fampirantiana momba an’i Madagasikara ao amin’ny Musée du Quai Branly Jacques Chirac ao Paris ny mpanorina ny IEM, Rajoelina, afakomaly. Sambany hatramin’ny taona 1946 ny nisian’ny hetsika fampahafantarana ny vakoka sy ny kolontsaintsika tahaka izao tao amin’ity mozea ity. Ahitana karazan-javatra maneho ny kolontsaina miisa 350 maneho ny tantara, ny fomba, ny asa tanana Zafimaniry, ny zavamaneno, ny fitafy sy ny taovolo, ny lamba malagasy, ny moara ary ny Aloalo any atsimo, izany fampirantiana izany. Manampy izany koa ny fampirantiana sary ataon’i Pierrot Men, miaraka amin’ny antontan-kevitra momba ny famadihana sy ny fomba amam-panao malagasy. « Vokatry ny fiaraha-miasa amin’ireo mozea iraisam-pirenena sy ireo olon-tsotra nitahiry sy nanangona manokana izany ny nahafahana nanao izao fampirantiana izao », hoy ny mpikarakara ny hetsika.
Tsiahivina fa nanomboka ny 18 septambra teo ary hifarana ny 1 janoary 2019, ity fampirantiana momba an’i Madagasikara ao amin’ny mozea ao Paris, ity.
Randria
Les commentaires sont fermées.