
“Aoka hampanjakaina ny fihavanana mandritra ny fifidianana, tsy hisy rahoraho”, hoy ny fehinkevitry ny vovonamben’ny raiamandreny ara-drazana natao tany Fianarantsoa, ny herinandro teo. Nivoitra koa fa tsy maintsy mihozona amin’ity tany masina ity, araka ny fomba, ireo olom-boafidy sy olom-boatendry hitondra sy hitantana ny firenena mba tsy hangalatra sy hambotry vahoaka na hivarotra tanindrazana. Takin’izy ireo koa ny zara henan’ny vahoaka andriamanjaka, amin’ny fanjakana mpanao am-pihimamba sy mpanao zara vilana. “Hapetraka ny dinam-piarahamonina mba hifehezana ny tany sy ny fanjakana. Masimandidy amin’ny taniny ny raiamandreny ara-drazana eo anatrehan’ny fanapahan-kevitra rehetra raisin’ny fanjakana”, hoy ihany izy ireo.
Tsiahivina fa napetraka ao Tsaramandroso Fianarantsoa manamorona ny lalana ny tsangambaton’ny fihavanana mba ho tazan’ireo mpandalo sy mpivahiny rehetra.
Synèse R.
Les commentaires sont fermées.