Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Fanentanana sy fiarahana amin’ny mpanakanto: namaly fitia an’i Fianarantsoa i Christian Kidodo

Fanentanana sy fiarahana amin’ny mpanakanto: namaly fitia an’i Fianarantsoa i Christian Kidodo

14 taona nifampitaizana sy niarahana amin’ny mponin’i Fianarantsoa Andrianavalona Christian, na  i Christian Kidodo  eo anivon’ny Cofestik Kidodo. Nikarakara  hetsika “Valim-pitia”  izy ireo, ny alahady  teo tao amin’ny kianjan’ny Gara any an-toerana  ary nahavory vahoaka  marobe. Niarahana amin’ny mpanakanto malaza izany lanonana  izany. “Naneho ny fitiavana anay nandritra ny fotoana maro ny mponin’i Fianarantsoa. Tanjona ny hahatongavan’izany valim-pitia izany any amin’ny vahoaka”, hoy  izy.

Nohitsin’i Christian Kidodo  fa tsy misy ambadika politika ary tsy misy idiran’ny fifidianana filoham-pirenena ny hetsika natao. “Ilaina ny fifampitaizana sy ny fikolokoloana ny fiarahamonina. Mbola misy fotoana iarahana  amin’ny vahoaka. Fitiavana manokana antsika  izao lanonana izao”, hoy ihany izy.

Nisy  ny “tombola” nahafahana nanome loka, toy ny “bicyclette VTT”, ny “télé écran LED”, ny vary ary kojakoja maro samihafa, nozaraina nandritra ny hetsika valim-pitia. Nanotrona  izany koa ireo namany akaiky sy mpiara-miasa aminy, nahatonga azy ihany koa ho tonga amin’izao toerana izao.

Tsiahivina fa nianatra momba ny famoriana fiaramanidina i Christian Kidodo, saingy  nahafantarana azy ny fanentanana lanonana sy ny fiaraha-miasa amin’ny artista fanta-daza.

Synèse  R. 

Les commentaires sont fermées.