Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Famonoana ankizy teny Ambohitrarahaba: gadra 20 taona ny sazin’ireo mpianadahy nahavanon-doza

Tsy afa-bela , nandritra ny fotoam-pitsarana, afakomaly teny amin’ny lapan’ny fitsarana ireo olona efa-mianaka, isan’ireo tompon’antoka tamin’ilay raharaha vonoan’olona nahafatesan’ankizy mianadahy, ny 10 oktobra 2017. Nomelohin’ny fitsarana sazy mihatra 20 taona an-tranomaizina ireo mianadahy 14 sy 16 taona tompon’antoka tamin’ny famonoana ireo ankizy mianadahy, 15 taoana an-tranomaizina kosa ny azon’ilay mpanampy vavy tao an-trano ary herintaona an-tranomaizina kosa ny azon’ny rain’ilay mpanampy. Naharitra ora maromaro ny fifandaharana teny amin’ny fitsarana, nandritra ity fotoam-pitsarana ity. Tsy nilefitra ny fitsarana tamin’ny alalan’ny fampanoavana ambony fa nitaky ny hampiharana ny sazy faran’izay henjana ho an’ireto olona nahavanon-doza ireto ka izao niafara tamin’ny fanasaziana am-ponja izao. Nangataka onitra 1 Ar ny mpitory, saingy tsy nanaiky hatrany ny fitsarana.

Voadona hatramin’ny sain’ireo fianakaviana…

Taorian’iny vonoan’olona feno habibiana iny, nisy fiantraikany teo amin’ny sain’ireo fianakaviana, indrindra ny ray aman-drenin’izy mianadahy ny zava-nanjo azy ireo ka tsy nety hipetraka teny Ambohitrarahaba intsony izy ireo, taorian’izay. Raha tsiahivina fohifohy ny zava-nitranga teny Ambohitrarahaba, ny 10 oktobra 2017, tsy tao an-trano ny ray aman-drenin’ireo ankizikely mianadahy fa ny mpanampy sy ireo ankizy namono no tao an-trano. Naman’ilay mpanampy ihany ireto ankizy tompon’antoka tamin’ny famonoana ireto raha ny fantatra nandritra ny fifandaharana teny amin’ny fitsarana. Herinandro mialoha ny nitrangan’ilay vonoan’olona feno habibiana, efa nampidirin’ilay mpanampy tao an-trano ireo ankizy mianadahy namono ireo. Nanadihady sy nanontanintany ireto ankizikely tao an-trano izy ireo ka fantatr’izy ireo tamin’ny antsipirihiny ny mombamomba ny fiainan-tokantranon’ireo niharam-boina. Voalaza anefa fa tsy tao an-trano ilay mpanampy tamin’ny fotoana nitrangan’ny famonoana fa hoe narary ka nalefan’ny mpampiasa azy nody. Nangala-bola 6 hetsy Ar koa anefa io mpanampy io, tamin’io fotoana io. Tonga ny fotoana nitrangan’ny famonoana ka hita faty teny Ambohidritrimo ny ankizy iray raha hita faty nihosin-dra tsy nisy maso intsony ny ankizikely iray. Nalain’izy ireo taorian’izay ny vola 15 400 000 Ar, niaraka tamin’ny volamena 400 grama ary vola vahiny 450 dolara. Tratra tany amin’ny dadan’ilay mpanampy vavy kosa ny telefaonina finday an’ireo ray aman-drenin’ireo ankizikely niharam-boina. Noraisina ho mpiray tsikombakomba ny dadan’ity mpanampy ity.

J.C

Les commentaires sont fermées.