Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Dago Festival 2: hampahafantarina ny indostria kolotoraly

Dago Festival 2: hampahafantarina ny indostria kolotoraly

Mahavelona sa tsia ny kolontsaina ? Ahoana ny fomba hivelomana ao anatiny ?… Mifanaretsaka ny fanontaniana tahaka izany. Sehatra iray anisan’ny miezaka mamaly ireny ny « Dago Festival ».

Hotanterahina, manomboka anio, hatramin’ny 22 septambra izao, eto an-dRenivohitra ny « Dago Festival 2». Hetsika hoenti-mampiroborobo ny kolontsaina malagasy amin’ny ankapobeny sy ireo izay mikirakira izany. Hampahafantarina sy hahazo vahana kokoa amin’izany ny indostria kolotoraly sy ny tontolony. Vokatr’izay, hamafisina ny fifanakalozana sy ny fihaonana isan-karazany. Ny 21 septambra sy ny 22 septambra, eny amin’ny Alliance Française Antananarivo (AFT) Andavamamba, fihaonana eo amin’ireo mpikirakira kolontsaina (mpanatontosa hetsika kolontsaina, orinasa mandraharaha momba ny kolontsaina, mpitantana trano kolotoraly vahiny, sns) sy ireo izay efa ao anatin’izany asa izany ary ireo maniry ny hirotsaka hanao ny asa momba ny kolontsaina. Anisan’ny lesoka lehibe eo amin’ny zavakanto sy ny kolontsaina malagasy rahateo  ny tsy mbola fahampian’ny fifehezana ny tontolon’ny fandraharahana eo amin’ireo tontolo roa ireo. Manjary vitsy ihany no sahy mirotsaka manao ity asa ity ireo mpanam-bola.

Ankoatra ny fihaonana sy ny fifanakalozana, hisy hatrany ny seho an-tsehatra ho an’ny mpanakanto ao anatina sokajin-javakanto samy hafa.  Ao ny mpanakanto avy any ivelany (La Réunion,  Frantsa, Kaomaoro…). Tsy vitsy ihany koa ny avy eto an-toerana, toa an’ny kaompania Lovatiana eo amin’ny dihy, ny Masabao hitondra ny beko, Mashmanjaka, Jaomatana (filatroana), sns.

HaRy Razafindrakoto

 

 

 

Les commentaires sont fermées.