Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Voalaza fa any Frantsa: hanadihady ny fanjavonan’ny satroky ny mpanjaka ny fanjakana

Voalaza fa any Frantsa: hanadihady ny fanjavonan’ny satroky ny mpanjaka ny fanjakana

Niparitaka tany anaty tambajotran-tserasera fa misy mahita any Frantsa ny satroboninahitra ny mpanjakavavy Ranavalona, very ny taona 2011. Manoloana izany, mangataka ny hamerenana ny fanadihadiana momba ity raharaha ity ny minisiteran’ny Kolontsaina sy ny Vakoka…

Resabe teto Madagasikara hatrany ivelany ny momba ity satroboninahitrana mpanjaka nanjavona tao amin’ny Lapan’Andafiavaratra, ny taona 2011 ity. Efa nisy ihany ny fanadihadiana momba ity raharaha ity, teo aloha, ary efa nisy mihitsy aza ireo olona naiditra am-ponja noho ny fahaverezan’ity satroka ity. Mangataka ny hamerenana fanadihadiana momba ity raharaha satroboninahitra ity ny minisitry ny kolotsaina sy ny vakoka, i Johasy Eléonore. « Nahatsikaritra tany anaty tambajotran-tserasera momba ity vaovao ity izahay fa hoe hita any Paris ny satroboninahitry ny mpanjaka Ranavalona. Ny 7 septambra 2018 lasa teo no niparitaka izany. Rehefa naheno izany ny teto amin’ny minisiteran’ny vakoka dia namotopototra hoe tena misy ve io vaovao io? nandray fepetra avy hatrany ny minisitera taorian’ny fiparitahan’ity vaovao ity tany anaty tambajotran-tserasera”, hoy izy. Nohamafisin’ny minisitra hatrany fa taorian’ny fahaverezan’io satroboninahitra io, ny taona 2011 dia nanao fampahafantarana mba hitadiavana izany vako-pirenena izany ny fanjakana. Nampahafantarina momba ity raharaha ity koa ny teo anivon’ny Unesco, raha ny fanazavany hatrany. Tsiahivina fa somary nahavariana ihany ny fanjavonan’ity satroboninahitry ny mpanjakavavy ity, ny taona 2011. Mihevitra ireo mpangalatra fa hoe volamena ranoray iny satroka iny, saingy ampahany kely ihany no misy volamena amin’iny raha ny fampitam-baovao voaray. Very anjavony ny fanadihadiana taorian’izay na efa niditra am-ponja aza ny sasany tamin’ireo mpiasa. Nahavariana aza fa efa nahavita dika mitovy amin’ilay satroboninahitra very ny fanjakana dia nijanona hatreo, kanjo izao misy milaza ho mahita any Frantsa indray ity satroky ny mpanjaka ity.

J.C

Les commentaires sont fermées.