
Rava maina ary tsy nahomby sady voatsipaka am-bavafo. Nitondra ny valin’ny fitoriana nataon’i Tabera Randriamanantsoa ny eo anivon’ny filankevim-panjakana, omaly.
Nambaran’io rantsam-pitsarana io, omaly, fa tsy mahefa hitsara ny fitorian’i Tabera Randriamanantsoa sy Ralaiseheno Guy Maxime izy ireo, araka ny fanapahana noraisin’ity rantsam-pitsarana etsy Anosy ity. Nanomboka tamin’ny 9 ora maraina hatramin’ny iray ora tolakandro ny nandinihan’ireo mpitsara izany ary izao namoaka fehinkeviny izao. Anisan’ny anton’ny fitorian’ireto mpanao politika sady kandidà ireto ny tokony hanafoanana ny didy fanaikana ny mpifidy handatsa-bato, ny 7 novambra izao. Mazava izany izao fa tsy tanteraka ny nofinofin’ireo tsy mankasitraka hanaovana fifidianana, efa novoizin’ny amiraly Ratsiraka sy ny namany ary koa ireo kandidà voailika sy ireo anisan’ny mpirotsaka hofidina.
Mazava ny nambaran’ny HCC
Efa nialohavan’ny fanambarana nataon’ny HCC, ny herinandro lasa teo, izany amin’ny filazana fa ny etsy Ambohidahy ihany ny hany manana fahefana hitsara ny momba ny resaka fifidianana. Nohitsin’ireo mpitsara avo fa tsy manampahefana hitsara izany ny eo anivon’ny filankevi-panjakana, nametrahan-dry Tabera sy ny namany fitoriana. “Fanapahan-kevitra noraisin’ny governemanta ny fiantsoana ny mpifidy handatsa-bato. Tsy azo torina ny didy avoakan’izy ireo”, hoy ihany ny HCC.
Midika izany fa diso adiresy ireo tsy mankasitraka hanaovana fifidianana.
Randria
Les commentaires sont fermées.