“Fahadisoana goavana eo anatrehan’ny tantara sy eo anatrehan’Andriamanitra raha tsy mandray andraikitra ny tenako manoloana izao fahantrana lalina iainan’ny vahoaka ankehitriny izao”, hoy izy nanoloana ireo vahoaka marobe tamin’ireo kaominina roa ireo, ny asabotsy teo. Nanteriny fa efa voasoritra ao amin’ny IEM avokoa ny vahaolana anatin’ny fotoana fohy hamahana ny olana rehetra ao Mahitsy sy ny any Faratsiho ary manerana ny Nosy. Nohitsiny fa olon’ny fifaninanana ny tenany ary tsy matahotra hifanandrina. “Aleoko tsy mandray anjara, aleoko tsy milatsaka toy izay ho resy”, hoy izy. Amin’ny alalalan’ny harentsika ihany isika no afaka mampandroso firenena tsy mila fangejana sy teritery avy any ivelany.
Hapetraka ny fandriampahalemana
Ho an’ny any Faratsiho manokana, natolotry ny vahoaka ho an’ny mpanorina ny IEM ny fanalahidy lehibe hoentiny mamaha ny olana rehetra sy hampandrosoana ny firenena. Natsidiny fa efa vita rafitra ny fitaovana ilaina hametrahana fandriampahalemana. “Hapetrantsika ny fitsipika eto amin’ny firenena. Gaboraraka loatra mantsy izany ”, hoy ihany izy.
Hitondra fomba fanaovana politika vaovao
Etsy andaniny, nitondra ny hetahetany sy ny olana ny vahoaka ao an-toerana.
Nanterin’ny kandidà Rajoelina tao Mahitsy kosa ny fahavononany hiatrika ny fifidianana ho avy. “Iray ihany ny tena tia tanindrazana sy vonona hanavotra ny firenena amin’ireo kandidà 36. Ampy ny lainga, ampy izay ny fitaka, ampy izay ny fampiesonana. Hitondra fomba fanaovana politika vaovao isika. Hotanterahina ny nifanarahantsika rehetra. Hofafantsika daholo ny maloto eto amin’ny firenena : ny mpanao kolikoly, ny mpampiesona, ny mpandainga. Na iza na iza hanakana, tsy hisy hahasakana antsika intsony. Vonona hiatrika ny ady rehetra ka tsy matahotra na iza na iza. Mila olona mahitsy ny firenena, manana lazon’ady. Misy amin’ireo miseho mafy fa tsy ampy hohanintsika izany”, hoy ny kandidà Rajoelina.
Randria
Les commentaires sont fermées.